FANONTANIANA 14
Inona no Hanampy Anao Hitsitsy Vola?
“Hahantra izay tia miala voly, ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.”
“Mpanompon’izay nampindram-bola ny olona nindram-bola.”
‘Iza aminareo, raha te hanorina tilikambo, no tsy mipetraka aloha manao kajy hoe ohatrinona no ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana an’ilay izy na tsia? Raha tsy manao an’izany izy, dia mety hametraka ny fototra nefa tsy ho afaka hamita an’ilay tilikambo. Dia haneso azy izay rehetra mahita an’izany, ka hiteny hoe: “Io olona io nanomboka nanorina tilikambo, nefa tsy nahavita an’ilay izy hatramin’ny farany akory.”’
“Rehefa voky izy ireo, dia hoy izy tamin’ny mpianany: ‘Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.’”