FANONTANIANA 17
Inona ny Torohevitry ny Baiboly ho An’ny Fianakaviana?
LEHILAHY
“Hoatr’izany koa fa tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Tsy misy olona mankahala ny tenany mantsy, fa mamelona sy miahy azy kosa ... Tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay.”
“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao foana araka izay anatra omen’i Jehovah sy izay atorony izy.”
VEHIVAVY
‘Ny vehivavy tokony hanaja lalina ny vadiny.’
“Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo fa izany no mety eo imason’ny Tompo.”
ANKIZY
“Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo, araka izay sitrapon’ny Tompo, fa izany no mety. ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany misy an’izao fampanantenana izao: ‘Amin’izay hahita soa sady ho ela velona eto ambonin’ny tany ianao.’”
“Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa izany no mampifaly ny Tompo.”