Ahoana no handraisanao soa avy amin’ity fianarana Baiboly ity?

Ahoana no handraisanao soa avy amin’ity fianarana Baiboly ity?

Diniho aloha ny fanazavana ato amin’ireto pejy fampidirana ireto, ary alefaso ilay VIDEO avy eo.

TAPANY VOALOHANY

Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao, dia vakio ny tapany voalohany amin’ilay izy. Manamafy ny hevi-dehibe ny fanontaniana sora-matevina (A) sy ny andinin-teny (B). Misy soratra hoe “vakio” ny andinin-teny sasany.

TAPANY FAHAROA

Manazava an’ireo hevitra hodinihina ny fehezanteny (D) eo ambanin’ilay hoe Andao Hohalalinintsika. Ireo lohatenikely (E) no mampiditra ny hevi-dehibe. Rehefa miara-mianatra ianao sy ilay mpampianatra anao, dia vakio ny andinin-teny, valio ny fanontaniana, ary jereo ny video.

VIDEO manampy anao hahazo tsara an’ilay fanazavana no ao anatin’ny efajoro. Tantara tena nisy no ao amin’ny video sasany. Tantara noforonina kosa no ao amin’ny video hafa, nefa zavatra tena iainan’ny olona no asehony.

Diniho ny sary sy ny fanazavana miaraka aminy (F), ary eritrereto ny fomba hamalianao an’ilay hoe Misy Miteny Hoe (G).

TAPANY FARANY

Famintinana sy Famerenana (H) no mamarana ny lesona tsirairay. Soraty ny daty nahavitana an’ilay lesona. Zavatra asaina ataonao no eo amin’ilay hoe Tanjona (I). Misy fanazavana fanampiny azonao vakina na jerena eo amin’ilay hoe Jereo koa Ireto (J).

Fanondroam-pejy

Fizarana 1

Fizarana 2

Fizarana 3

Fizarana 4

Fanamarihana

Ahoana no fijerena andinin-teny ao amin’ny Baiboly?

Fitambarana boky 66 ny Baiboly. Mizara roa izy io: Ny Soratra Hebreo sy Aramianina (“Testamenta Taloha”) ary ny Soratra Grika Kristianina (“Testamenta Vaovao”).

Ireto avy no hita amin’ny andinin-teny ato amin’ity fianarana ity: Ny anaran’ilay boky (A), dia avy eo ny toko (B), ary farany ny andininy (D).

Ny tiana holazaina amin’ny hoe Jaona 17:3, ohatra, dia ny bokin’i Jaona, toko faha-17, andininy faha-3.