Famerenana ny Fizarana 1

Famerenana ny Fizarana 1

Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  1. Inona ny fampanantenan’ny Baiboly tena tianao? Nahoana?

    Jereo ny Lesona 02.)

  2. Nahoana ianao no mino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

    Jereo ny Lesona 03 sy 05.)

  3. Nahoana no zava-dehibe ny mampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah?

    Jereo ny Lesona 04.)

  4. Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Mino an’izany ve ianao?

    Jereo ny Lesona 06.)

  5. Vakio ny Ohabolana 3:32.

    • Nahoana i Jehovah no Namana tsara indrindra?

    • Inona no tian’i Jehovah hataon’ny namany? Sarotra be ve ny zavatra asain’i Jehovah ataontsika, araka ny hevitrao?

      Jereo ny Lesona 07 sy 08.)

  6. Vakio ny Salamo 62:8.

    • Inona ny zavatra sasany efa noresahinao tamin’i Jehovah? Inona koa no mbola azonao resahina rehefa mivavaka ianao?

    • Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

      Jereo ny Lesona 09.)

  7. Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

    • Inona no soa horaisinao raha miara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao?

    • Tena tokony hanaovana ezaka ve ilay hoe mivory, araka ny hevitrao?

      Jereo ny Lesona 10.)

  8. Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro? Inona no fotoana nofidinao mba hamakiana Baiboly isan’andro?

    Jereo ny Lesona 11.)

  9. Inona tamin’ny fianaranao Baiboly no tena tianao hatreto?

  10. Inona no olana efa natrehinao hatramin’izay nianaranao Baiboly izay? Inona no hanampy anao hianatra Baiboly foana?

    Jereo ny Lesona 12.)