LESONA 04

Iza Ilay Tena Andriamanitra?

Iza Ilay Tena Andriamanitra?

Efa ela be ny olombelona no nivavaka tamin’ny andriamanitra samihafa. Misy Andriamanitra iray anefa resahin’ny Baiboly hoe “tena miavaka noho ny andriamanitra rehetra.” (2 Tantara 2:5) Iza izany? Ary nahoana izy no miavaka noho ny andriamanitra hafa rehetra ivavahan’ny olona? Ho hitantsika ato amin’ity lesona ity hoe inona no tian’io Andriamanitra io ho fantatrao momba azy.

1. Iza no anaran’Andriamanitra, ary inona no porofo hoe tiany ho fantatsika ilay izy?

Andriamanitra mihitsy no mampahafantatra ny momba azy, ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Izaho no Jehovah. Izany no anarako.” (Vakio ny Isaia 42:8.) Avy amin’ny teny hebreo ilay anarana hoe “Jehovah.” Milaza ny manam-pahaizana fa ny dikan’izy io dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany isika. (Eksodosy 3:15) Nahoana isika no milaza an’izany? Nasainy nosoratana im-7000 mahery io anarany io ao amin’ny Baiboly! a Iray ihany ny “tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany”, ary Jehovah no anarany.​—Deoteronomia 4:39; Isaia 42:5.

2. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah?

Milaza ny Baiboly fa amin’ny andriamanitra rehetra ivavahan’ny olona dia i Jehovah irery ihany no tena Andriamanitra. Nahoana? I Jehovah ihany no “Avo Indrindra manerana ny tany manontolo.” (Vakio ny Salamo 83:18.) Izy no “Mahery Indrindra”, izany hoe vitany daholo izay zavatra tiany hatao. Izy no “namorona ny zava-drehetra”, anisan’izany ny zavamananaina rehetra eto an-tany. (Apokalypsy 4:8, 11) I Jehovah irery koa no efa nisy foana hatramin’izay sady mbola hisy foana mandrakizay.​—Salamo 90:2.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no tsy mampitovy ny anaran’Andriamanitra sy ny anaram-boninahiny, izany hoe ny anarana fanajana azy. Ho hitantsika koa hoe nahoana izy no nampahafantatra ny anarany, ary ahoana no nanaovany an’izany.

3. Manana anaram-boninahitra be dia be Andriamanitra, fa iray ihany ny anarany

Inona no tsy mampitovy ny anarana sy ny anaram-boninahitra? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no tsy mampitovy ny anarana sy ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Tompo”?

Milaza ny Baiboly fa mivavaka amin’ny andriamanitra sy tompo be dia be ny olona. Vakio ny Salamo 136:1-3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Iza ilay “Andriamanitry ny andriamanitra” sy “Tompon’ny tompo”?

4. Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany sy hampiasa an’ilay izy ianao

Inona no porofo hoe tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ianao? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ve isika, araka ny hevitrao? Nahoana?

Tian’i Jehovah hampiasa ny anarany isika. Vakio ny Romanina 10:13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no tena ilaina ny mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah?

  • Inona no tsapanao rehefa mahatadidy ny anaranao ny olona sady mampiasa an’ilay izy?

  • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mampiasa ny anarany ianao?

5. Tian’i Jehovah ho lasa namany ianao

Nilaza i Soten, vehivavy iray avy any Kambôdza, hoe ny nahafantatra ny anaran’Andriamanitra no ‘zavatra nahafaly azy indrindra teto an-tany.’ Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no vokany rehefa nahalala ny anaran’Andriamanitra i Soten?

Mila hainao aloha ny anaran’ny olona iray, izay vao ho lasa namany ianao. Vakio ny Jakoba 4:8a, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ampirisihin’i Jehovah hataonao?

  • Nahoana ianao no hahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra, raha mahafantatra ny anarany sy mampiasa an’ilay izy?

MISY MITENY HOE: “Andriamanitra iray ihany no ivavahan’ny olona rehetra, dia mety foana izay iantsoana azy.”

  • Mino ve ianao hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra?

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny olona hoe tian’Andriamanitra hampiasa ny anarany isika?

FAMINTINANA

Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra. Tiany hahafantatra sy hampiasa an’io anarana io isika, amin’izay ho lasa namany.

Famerenana

  • Nahoana i Jehovah no tsy mitovy amin’ny andriamanitra hafa rehetra ivavahan’ny olona?

  • Nahoana isika no tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra?

  • Inona no porofo hoe tian’i Jehovah ho lasa namany ianao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy porofo dimy mampiseho hoe tena misy Andriamanitra. Inona avy izany?

“Tena Misy ve Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana no mitombina ilay hoe efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay?

“Iza no Namorona An’Andriamanitra?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2014)

Nahoana isika no tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra, na dia tsy fantatra aza ny tena fanononana azy io?

“Iza moa i Jehovah?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

a Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny dikan’ny anaran’Andriamanitra sy ny antony tsy ahitana azy io ao amin’ny Baiboly sasany ianao, dia jereo ny Fanazavana Fanampiny A4 ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.