LESONA 05
Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary Nataony ho Antsika
Fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah ny Baiboly. Fitambarana boky 66 izy io. Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Ahoana no fomba nanomezany azy io antsika? Ahoana no nanoratana ny Baiboly?’ Andao hodinihintsika ny valin’ireo fanontaniana ireo.
1. Maninona ny Baiboly no lazaina hoe avy amin’Andriamanitra nefa olona no nanoratra azy?
Olona 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly. Naharitra 1 600 taona mahery ny nanoratana azy io, nanomboka tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny 98 A.K. tany ho any. Tsy nitovy ny zavatra niainan’ireo mpanoratra azy io, nefa tsy mifanohitra ny hevitra nosoratany. Nahoana? Satria avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.) Tsy hoe samy nanoratra an’izay tao an-tsainy fotsiny ireo mpanoratra ny Baiboly. ‘Teny avy amin’Andriamanitra kosa no nolazainy, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ a (2 Petera 1:21) Afaka nanoratra ny hevitr’Andriamanitra izy ireo satria nahazo fanahy masina.—2 Timoty 3:16.
2. Iza no afaka mandray soa avy amin’ny Baiboly?
Nilaza Andriamanitra fa handray soa avy amin’ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Vakio ny Apokalypsy 14:6.) Ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra. Afaka mamaky azy io ny ankamaroan’ny olona, na aiza na aiza misy azy ary na inona na inona fiteniny.
3. Ahoana no niarovan’i Jehovah ny Baiboly?
Tamin’ny zavatra mora simba no nosoratana ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Nisy olona tia Baiboly anefa nandika tanana azy io sady nitandrina mba ho marina tsara ilay izy. Niezaka nanafoana ny Baiboly koa ny mpanjaka sy ny mpitondra fivavahana sasany. Nisy olona vonona hiaro azy io anefa, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany. Hita hoe tsy nisy na inona na inona navelan’i Jehovah hisakana ny olona tsy hahazo Baiboly. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny tenin’ilay Andriamanitsika ... maharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika bebe kokoa ireto: Ahoana no nataon’Andriamanitra rehefa nampanoratra ny Baiboly izy? Ahoana no niarovany azy io? Ary inona no nataony mba handray soa avy amin’ny Baiboly ny olona rehetra?
4. Resahin’ny Baiboly hoe iza no nampanoratra azy
Alefaso ilay VIDEO. Vakio ny 2 Timoty 3:16 avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
-
Maninona ny Baiboly no lazaina hoe Tenin’Andriamanitra nefa olona no nanoratra azy?
-
Mino ve ianao hoe vitan’Andriamanitra ny nampita ny heviny tamin’ireo olona nanoratra ny Baiboly?
5. Mbola misy hatramin’izao ny Baiboly na dia nisy nitady hanafoana aza
Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly ka narovany foana. Nisy manam-pahefana niezaka nanafoana ny Baiboly. Ny mpitondra fivavahana sasany indray nanakana ny olona tsy hamaky azy io. Betsaka anefa ny olona niaro ny Baiboly, na dia nenjehina sy norahonana ho faty aza. Alefaso ilay VIDEO miresaka olona hoatr’izany, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
-
Vao mainka ve ianao izao te hamaky Baiboly, rehefa fantatrao hoe nisy olona niezaka mafy mba hiaro azy io? Nahoana?
Vakio ny Salamo 119:97, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
-
Nahoana ny olona sasany no niezaka nandika sy nampiely ny Baiboly, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany?
6. Boky natao ho an’ny olona rehetra
Ny Baiboly no boky be mpanana indrindra sady voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra. Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
-
Tian’Andriamanitra ho voadika amin’ny fiteny be dia be ny Baiboly, sady tiany hanana azy io ny olona rehetra. Nahoana?
-
Inona no itiavanao ny Baiboly?
Efa ho
100%
amin’ny mponina eran-tany
no afaka mamaky ny Baiboly amin’ny fiteny hainy
Misy amin’ny fiteny
3 000
mahery
izy manontolo na ny ampahany aminy
5 000 000 000
eo ho eo ny isan’ny Baiboly efa natao pirinty,
ary be lavitra noho ny boky hafa izany
MISY MITENY HOE: “Efa ntaolo be ny Baiboly sady olona ihany no nanoratra azy.”
-
Ahoana ny hevitrao?
-
Inona no porofo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?
FAMINTINANA
Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary nanao zavatra izy mba handray soa avy amin’izy io ny olona rehetra.
Famerenana
-
Ahoana no nataon’Andriamanitra rehefa nampanoratra ny Baiboly izy?
-
Inona no tena mahavariana anao momba ny Baiboly rehefa nianatra an’ity lesona ity ianao?
-
Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe nanao zavatra be dia be Andriamanitra mba hahazo Baiboly ny olona?
JEREO KOA IRETO
Inona no ezaka mafy nataon’ny olona sasany mba handikana ny Baiboly?
Imbetsaka ny Baiboly no natao kopia sy nadika. Ahoana no ahalalantsika hoe tsy niova ny hevitra ao anatiny?
ANKAFIZO MANDRAKIZAY NY FIAINANA!—FIANARANA BAIBOLY NATAO HO ANAO