LESONA 06

Ahoana no Nampisy An’izao Rehetra Izao?

Ahoana no Nampisy An’izao Rehetra Izao?

“Namorona ny zava-drehetra [Andriamanitra].” (Apokalypsy 4:11) Mino an’izany ve ianao? Mieritreritra ny olona sasany hoe tsy nisy namorona izao rehetra izao. Nisinisy ho azy fotsiny isika raha izany no izy. Raha i Jehovah Andriamanitra anefa no namorona ny zava-drehetra, dia azo antoka hoe nisy antony matoa izy nanao an’izany. a Diniho hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny famoronana, ary nahoana ilay izy no mitombina.

1. Ahoana no nampisy an’izao rehetra izao?

Hoy ny Baiboly: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana hoe nisy fiandohana izao rehetra izao. Ahoana no nataon’Andriamanitra rehefa namorona izy? Nampiasa ny heriny, izany hoe ny fanahy masina, izy mba hamoronana an’izao rehetra izao, anisan’izany ny vahindanitra sy ny kintana ary ny planeta.​—Genesisy 1:2.

2. Nahoana Andriamanitra no namorona ny tany?

“Tsy hoe tsy misy antony” ny namoronan’i Jehovah ny tany “fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Nataony tsara tarehy sy azon’ny olona ipetrahana mandrakizay izy io. (Vakio ny Isaia 40:28; 42:5.) Milaza ny manam-pahaizana hoe tena miavaka ny tany. Eto ihany no misy ny zava-drehetra ilain’ny olona mba hahavelona azy.

3. Inona no tsy mampitovy ny olombelona sy ny biby?

Namorona ny zavamananaina i Jehovah rehefa avy namorona ny tany. Nofenoiny zavamaniry sy biby aloha ny tany. “Namorona ny olona hitovy endrika aminy Andriamanitra” avy eo. (Vakio ny Genesisy 1:27.) Inona no mampiavaka ny olona? Noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra isika, ka afaka manahaka ny toetrany. Tia olona sy tia rariny, ohatra, isika. Nataony afaka mianatra fiteny koa isika, ary afaka mankafy zavakanto sy mozika. Ny olombelona irery koa no afaka manompo an’ilay Mpamorona azy.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika ireto: Inona no porofo hoe nisy namorona izao rehetra izao? Mitombina ve izay lazain’ny Baiboly momba ny famoronana? Inona ny toetran’Andriamanitra lasa fantatsika rehefa jerena ny toetra tsaran’ny olombelona?

4. Nisy namorona izao rehetra izao

Mahavita zavatra nalaina tahaka avy amin’ny zavaboary ny olona sasany. Raha ny olona hoatr’izany aza omena voninahitra, tsy mainka ve fa ilay Mpamorona ny zavaboary? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona, ohatra, ny zavatra noforonin’ny olona ary nalainy tahaka avy amin’ny zavaboary?

Tsy maintsy nisy nanao daholo ny trano rehetra. Fa iza kosa no nanao ny zavaboary? Vakio ny Hebreo 3:4, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona ny zavaboary tena mahavariana anao?

  • Mitombina ve ilay hoe nisy namorona izao rehetra izao? Nahoana?

Fantatrao ve?

Afaka mahita lahatsoratra sy video momba ny famoronana ianao ao amin’ny jw.org. Jereo ilay hoe “Nisy Namorona Ve?” sy ilay hoe “Hevitry ny Olona Momba ny Niandohan’ny Fiainana.”

“Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra”

5. Mitombina ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana

Miresaka momba ny namoronana ny tany sy ny zavamananaina ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy toko voalohany. Tena marina ve izay lazainy ao sa tantara noforonina fotsiny? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Milaza ve ny Baiboly hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora no namoronana ny tany sy ny zavamananaina?

  • Araka ny hevitrao, mitombina ve ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana? Nahoana?

Vakio ny Genesisy 1:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Milaza ny manam-pahaizana hoe nisy fiandohana izao rehetra izao. Nahoana izany no mifanaraka amin’io andinin-teny io?

Lasa saina ny olona sasany hoe ahoana no nataon’Andriamanitra rehefa namorona izy. Nataony nivoatra tsikelikely avy amin’ny zavamananaina iray ve ny zavamananaina rehetra? Vakio ny Genesisy 1:21, 25, 27, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Milaza ve ny Baiboly hoe namorona zavamananaina tsotra Andriamanitra, dia iny no nivoatra tsikelikely ka lasa trondro sy biby hafa ary olombelona? Sa tonga dia zavamananaina isan-karazany no noforoniny?

6. Zavaboary miavaka ny olombelona

Tsy mitovy amin’ny biby ny namoronan’i Jehovah antsika. Vakio ny Genesisy 1:26, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra isika, ka afaka mangoraka sy mampiseho fitiavana. Hoatran’ny ahoana koa izany ny toetran’Andriamanitra?

MISY MITENY HOE: “Tantara noforonina fotsiny ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana.”

  • Ahoana ny hevitrao? Nahoana?

FAMINTINANA

I Jehovah no namorona an’izao rehetra izao.

Famerenana

  • Ahoana no nampisy an’izao rehetra izao, raha ny Baiboly no jerena?

  • Nataon’Andriamanitra nivoatra tsikelikely avy amin’ny zavamananaina iray ve ny zavamananaina rehetra, sa namorona zavamananaina isan-karazany izy?

  • Inona no mampiavaka ny olombelona?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ahoana no ataon’ny raim-pianakaviana iray rehefa manazava amin’ny zanany momba ny famoronana izy?

‘Namorona ny Zava-drehetra i Jehovah’ (2:36)

a Horesahina ao amin’ny Lesona 25 ny antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona.