LESONA 08

Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao

Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao

Tian’i Jehovah hahafantatra azy bebe kokoa ianao. Nahoana? Lasa te ho namany mantsy ianao, rehefa mahafantatra kokoa ny toetrany sy ny fomba fanaovany zavatra ary ny zavatra tiany hatao. Afaka ny ho naman’Andriamanitra tokoa ve ianao? (Vakio ny Salamo 25:14.) Inona no azonao atao mba ho lasa namany? Mamaly an’ireo ny Baiboly, sady manazava hoe maninona i Jehovah no Namana tsara indrindra.

1. Manasa anao hanao inona i Jehovah?

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Inona no dikan’izany? Manasa anao mba ho lasa namany i Jehovah. Misy mieritreritra hoe sarotra be izany ho naman’Andriamanitra izany, satria izy tsy hita maso. Ampahafantarin’i Jehovah antsika ao amin’ny Baiboly anefa ny toetrany, amin’izay isika lasa namany. Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho lasa akaiky kokoa azy na dia tsy afaka mahita azy aza.

2. Nahoana i Jehovah no Namana tsara indrindra?

Tsy misy olona tia anao kokoa noho i Jehovah. Tiany ho sambatra ianao, ary tiany hiresaka aminy rehefa mila fanampiana. Azonao ‘apetraka aminy daholo izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Vonona foana i Jehovah hanampy sy hampionona ary hihaino ny namany.​—Vakio ny Salamo 94:18, 19.

3. Inona no tokony hataon’izay naman’i Jehovah?

Tian’i Jehovah daholo ny olona, ‘fa ny olona manao izay mahitsy no ataony namana akaiky.’ (Ohabolana 3:32) Tiany ny namany raha miezaka manao an’izay lazainy hoe tsara, ary manalavitra an’izay lazainy hoe ratsy. Misy mieritreritra hoe tsy ho vitany mihitsy ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Tsara fanahy anefa i Jehovah. Ekeny ho namany ny olona rehetra tena tia azy sy miezaka mafy mampifaly azy.​—Salamo 147:11; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika bebe kokoa hoe inona no azonao atao mba ho lasa naman’i Jehovah ianao, ary nahoana izy no Namana tsara indrindra.

4. Naman’i Jehovah i Abrahama

Lasa azontsika tsara ny atao hoe minamana amin’Andriamanitra, rehefa mamaky ny tantaran’i Abrahama (na Abrama) isika. Vakio ny Genesisy 12:1-4, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Abrahama?

  • Inona no nampanantenain’i Jehovah azy?

  • Ahoana no nataon’i Abrahama rehefa nisy zavatra nasain’i Jehovah nataony?

5. Inona no tian’i Jehovah hataon’ny namany?

Matetika no misy zavatra mba tiantsika hataon’ny namantsika.

  • Inona, ohatra, ny zavatra tianao hataon’ny namanao ho anao?

Vakio ny 1 Jaona 5:3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tian’i Jehovah hataon’ny namany?

Mety hoe mila manova ny toetrantsika na ny fitondran-tenantsika isika raha te hankatò an’i Jehovah. Vakio ny Isaia 48:17, 18, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Maninona no asain’i Jehovah manao fiovana ny namany?

Manoro hevitra antsika ny namantsika mba ho voaro sy handray soa isika. Izany koa no ataon’i Jehovah amin’ny namany

6. Ahoana no anampian’i Jehovah ny namany?

Manampy ny namany hiatrika olana i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no nanampian’i Jehovah an’ilay vehivavy tao amin’ilay video mba tsy ho kivy izy?

Vakio ny Isaia 41:10, 13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ampanantenain’i Jehovah hoe hataony ho an’ny namany tsirairay?

  • Namana tsara ve i Jehovah, araka ny hevitrao? Nahoana?

Manampy anao ny namanao rehefa mila fanampiana ianao. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah

7. Mila mifampiresaka amin’i Jehovah isika raha te ho namany

Lasa mifandray kokoa ny mpinamana rehefa mifampiresaka. Vakio ny Salamo 86:6, 11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fomba iresahantsika amin’i Jehovah?

  • Ahoana no fomba iresahan’i Jehovah amintsika?

Ny vavaka no fomba iresahantsika amin’i Jehovah, ary ny Baiboly no fomba iresahany amintsika

MISY MITENY HOE: “Tsisy olona ho lasa naman’Andriamanitra izany!”

  • Inona ny andinin-teny hampiasainao mba hanaporofoana hoe afaka ny ho naman’i Jehovah isika?

FAMINTINANA

Te ho lasa namanao i Jehovah, ary hanampy anao ho lasa namany izy.

Famerenana

  • Ahoana no anampian’i Jehovah ny namany?

  • Nahoana no asain’i Jehovah manao fiovana ny namany?

  • Araka ny hevitrao, sarotra loatra ve ny zavatra asain’i Jehovah ataon’ny namany? Nahoana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no nahatonga ny lehilahy iray jamba sady marenina hilaza fa betsaka lavitra noho izay nafoiny ny zavatra azony?

“Ny Tanany no Tena Miasa (7:05)

Haheno tanora vitsivitsy miresaka an’izay tsapany momba an’i Jehovah ianao ato.

Hoatran’ny Ahoana Izany hoe Naman’Andriamanitra Izany? (1:46)