LESONA 09

Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka

Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe nila torohevitra? Mba te hahazo fanampiana ve ianao rehefa manana olana? Tianao ve raha mba misy olona mampionona sy manome toky anao? Mba te ho akaiky an’i Jehovah ve ianao? Afaka manampy anao amin’ireo rehetra ireo ny vavaka. Ahoana anefa no atao rehefa mivavaka? Mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra? Inona no azonao atao raha tianao hohenoiny ny vavakao? Andao hovaliantsika ireo.

1. Amin’iza isika no tokony hivavaka, ary inona no azontsika resahina amin’ny vavaka?

Nilaza i Jesosy hoe amin’ilay Raintsika any an-danitra ihany isika no tokony hivavaka. Hoy izy: “Hoatr’izao àry lazaina rehefa mivavaka: ‘Rainay izay any an-danitra ...’” (Matio 6:9) Na i Jesosy aza nivavaka tamin’i Jehovah. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika rehefa mivavaka aminy.

Azontsika angatahina amin’ny vavaka daholo izay rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah amin’izay. Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Nolazain’i Jesosy ny zavatra sasany azontsika resahina amin’ny vavaka. (Vakio ny Matio 6:9-13.) Afaka mivavaka momba ny zavatra mampiady saina antsika isika, nefa tsy tokony hanadino hisaotra an’Andriamanitra noho ny zavatra nataony ho antsika. Tokony hiangavy azy hanampy ny hafa koa isika.

2. Ahoana no atao rehefa mivavaka?

Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hamboraka ny ao am-pontsika amin’Andriamanitra.’ (Salamo 62:8) Tokony ho avy amin’ny fo àry ny vavaka ataontsika. Tsy voatery hoe miteny koa isika, fa azontsika atao any an-tsaina fotsiny ilay izy. Mety foana na mipetraka isika, na mitsangana, na mandohalika, fa ny zava-dehibe dia hoe manaja an’i Jehovah isika. Afaka mivavaka isika na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana.

3. Ahoana no amalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

Be dia be ny fomba anaovany an’izany. Nomen’i Jehovah antsika ny Teniny, ary matetika no hitantsika ao ny valin’ny fanontaniantsika. “Mampahahendry an’izay tsy dia nahita fiainana” ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 19:7; vakio ny Jakoba 1:5.) Manampy antsika hilamin-tsaina i Jehovah rehefa manana olana isika. Mety hampiasa ny mpanompony koa izy mba hanampy antsika, amin’ny fotoana tena ilantsika an’izany.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no azonao atao mba hohenoin’Andriamanitra ny vavakao, ary inona ny soa ho azonao rehefa mivavaka ianao.

4. Misy vavaka tsy henoin’Andriamanitra

Hoatran’ny ahoana ny vavaka henoin’Andriamanitra sy tsy henoiny? Alefaso ilay VIDEO.

Tian’i Jehovah hivavaka aminy isika. Vakio ny Salamo 65:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka ny hevitrao, tian’ilay “Mpihaino vavaka” hivavaka aminy ve ianao? Nahoana?

Mila manaraka ny fitsipik’Andriamanitra isika raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika. Vakio ny Mika 3:4 sy ny 1 Petera 3:12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

Rehefa miady ny tafika mpifahavalo, dia samy mivavaka mba handresy. Hovalian’Andriamanitra ve ny vavak’izy ireo?

5. Tokony ho avy amin’ny fo ny vavaka

Nampianarina hanao vavaka tsianjery ny olona sasany. Izany ve anefa no tian’Andriamanitra hataontsika? Vakio ny Matio 6:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no azonao atao mba tsy hamerimberina “zavatra mitovy foana” ianao rehefa mivavaka?

Mieritrereta zavatra iray azonao isaorana an’i Jehovah, isan’andro. Raha manao an’izany ianao mandritra ny herinandro, dia efa zavatra fito samy hafa no horesahinao amin’i Jehovah.

Tian’ny raim-pianakaviana raha milaza an’izay any am-pony ny zanany rehefa miresaka aminy. Tian’i Jehovah hanao hoatr’izany koa isika rehefa mivavaka

6. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vavaka

Nahoana ny vavaka no afaka manampy antsika, indrindra rehefa manana olana isika? Alefaso ilay VIDEO.

Milaza ny Baiboly hoe afaka manampy antsika hilamin-tsaina ny vavaka. Vakio ny Filipianina 4:6, 7, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Tsy hoe afaka foana ny olana mahazo antsika rehefa mivavaka isika. Nahoana anefa no manampy antsika ny vavaka?

  • Inona, ohatra, ny zavatra mba tianao horesahina amin’ny vavaka?

Fantatrao ve?

Ilay teny hoe “amena” dia midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “ho izany tokoa anie.” Efa hatramin’ny ela ny olona no niteny hoe “amena” amin’ny faran’ny vavaka.—1 Tantara 16:36.

7. Manokàna fotoana hivavahana

Sahirana be isika indraindray dia hadinontsika ny mivavaka. Zava-dehibe tamin’i Jesosy ve ny vavaka? Vakio ny Matio 14:23 sy ny Marka 1:35, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nanokana fotoana hivavahana i Jesosy. Ahoana no nataony?

  • Inona no fotoana hitanao hoe ahafahanao mivavaka?

MISY MITENY HOE: “Tsy mamaly vavaka Andriamanitra.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra isika rehefa mivavaka avy amin’ny fo. Manampy antsika hilamin-tsaina sy hankatò an’i Jehovah koa ny vavaka.

Famerenana

  • Amin’iza isika no tokony hivavaka?

  • Ahoana no atao rehefa mivavaka?

  • Inona, ohatra, ny soa azontsika rehefa mivavaka isika?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Amin’iza isika no tokony hivavaka, raha ny Baiboly no jerena?

“Tokony Hivavaka Amin’ny Olo-masina ve Aho?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Ho hitanao amin’ity hira ity hoe afaka mivavaka foana isika na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana.

Mivavaha Foana (1:22)