LESONA 11

Ahoana no Handraisanao Soa avy Amin’ny Baiboly?

Ahoana no Handraisanao Soa avy Amin’ny Baiboly?

Efa nisy fotoana ve ianao te hanao zavatra iray, nefa hoatran’ny sarotra be ilay izy? Mety hoe nataonao tsikelikely ilay izy, amin’izay mba mora kokoa. Hoatr’izany koa angamba no fahitanao ny hoe mamaky Baiboly. Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Ahoana re no hanombohako azy e?’ Ho hitanao ato amin’ity lesona ity hoe misy zavatra tsotra azonao atao mba ho tianao ny mamaky sy mianatra Baiboly.

1. Nahoana isika no tokony hamaky Baiboly isan’andro?

Ho sambatra sy hahomby amin’izay ataony ny olona iray raha mamaky Baiboly isan’andro, izany hoe mamaky ny “lalàn’i Jehovah.” (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Azonao atao, ohatra, amin’ny voalohany ny mamaky mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro. Rehefa mihazatra ianao, dia hahafinaritra anao ny mamaky Baiboly.

2. Ahoana no hatao raha te handray soa rehefa mamaky Baiboly?

Tsy ampy ny hoe mamaky fa ilaina koa ny ‘misaintsaina.’ (Josoa 1:8) Mila mijanona kely ianao dia mieritreritra an’izay vakinao. Afaka mieritreritra, ohatra, ianao hoe: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah Andriamanitra? Ahoana no hampiharako an’ity andinin-teny ity? Ahoana no azoko ampiasana an’ireto andinin-teny ireto mba hanampiana ny hafa?’

3. Ahoana no hahitana fotoana hamakiana Baiboly?

Sarotra aminao ve ny mahita fotoana hamakiana Baiboly? Betsaka no hoatr’izany. Miezaha àry ‘hampiasa tsara ny fotoananao.’ (Efesianina 5:16) Azo atao ny manokana fotoana raikitra isan’andro mba hamakiana Baiboly. Misy, ohatra, vao maraina be no mamaky. Ny sasany indray rehefa avy misakafo antoandro, na alohan’ny hatory. Ary inona no fotoana mety aminao?

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no azonao atao mba hahafinaritra kokoa anao ny mamaky Baiboly, ary ahoana no atao rehefa manomana alohan’ny hianarana Baiboly.

Afaka miezaka ho tia mamaky Baiboly isika, hoatran’ny olona iray miezaka ho tia karazana sakafo vaovao

4. Miezaha ho tia mamaky Baiboly

Mety ho sarotra ilay hoe manomboka mamaky Baiboly. Afaka miezaka ho tia mamaky Baiboly anefa isika, hoatran’ny olona iray miezaka ho tia karazana sakafo vaovao. Vakio ny 1 Petera 2:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka ny hevitrao, mety ho lasa tia mamaky Baiboly ve ianao raha mamaky azy io isan’andro?

Inona no nataon’ny olona sasany mba ho tiany ny mamaky Baiboly? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no olana natrehin’ireo tanora tao amin’ilay video?

  • Inona no nanampy azy ireo hamaky Baiboly isan’andro?

  • Inona no nataon’izy ireo mba hahafinaritra kokoa azy ny mamaky Baiboly?

Soso-kevitra hanampy anao:

  • Mifidiana Baiboly marina tsara sy mora azo. Andramo, ohatra, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

  • Izay tena mahaliana anao aloha vakina. Mety hanampy anao ilay tabilao hoe “Vakio Isan’andro ny Baiboly.”

  • Tadidio izay nijanonanao farany. Ampiasao ilay tabilao hoe “Mariho Izay Voavakinao.”

  • Ampiasao ilay programa hoe JW Library®. Afaka mamaky Baiboly amin’ny telefaonina na fitaovana hafa ianao amin’izay, na aiza na aiza misy anao. Afaka mihaino Baiboly noraisim-peo koa ianao.

5. Omano tsara ny fianaranao Baiboly

Vakio ny Salamo 119:34, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no tsara ny mivavaka alohan’ny hamakiana Baiboly na alohan’ny hanomanana ny fianarana Baiboly?

Inona no azonao atao mba handray soa ianao isaky ny mianatra Baiboly? Rehefa manomana ny lesona tsirairay ato ianao, dia andramo ireto:

  1. A. Vakio ny tapany voalohany amin’ilay lesona.

  2. B. Vakio ny andinin-teny, ary eritrereto hoe inona no ifandraisan’ilay izy amin’ny hevitra resahina.

  3. D. Asio marika ireo teny mamaly ny fanontaniana tsirairay. Hanampy anao izany rehefa hiara-midinika an’ilay lesona ianao sy ny mpampianatra anao.

Fantatrao ve?

Betsaka ny fandikan-teny efa nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa no tena tianay, satria marina tsara sy mazava ary mampiasa ny anaran’Andriamanitra izy io.—Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe Manana ny Baiboliny Manokana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

MISY MITENY HOE: “Tsy vitako izany mianatra Baiboly izany fa sarotra be, sady tsy manam-potoana amin’izany aho.”

  • Ahoana ny hevitrao?

FAMINTINANA

Handray soa ianao raha manokana fotoana hamakiana Baiboly, mivavaka mba hahazo tsara an’izay vakinao, ary manomana rehefa hianatra Baiboly.

Famerenana

  • Inona no hanampy anao handray soa avy amin’ny Baiboly?

  • Inona no fotoana eritreretinao hamakiana sy hianarana Baiboly?

  • Inona no maha tsara ny hoe manomana rehefa hianatra Baiboly?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy torohevitra avy amin’ny olona efa mpamaky Baiboly hatramin’ny ela ato amin’ity video ity.

Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Samirery? (2:06)