LESONA 13

Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-diso

Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-diso

Betsaka ny fivavahana milaza hoe manompo an’ilay Andriamanitra fitiavana, nefa manao zavatra ratsy be dia be. Nahoana? Satria fivavahan-diso izy ireny. Manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ataony sy lazainy. Maninona isika no milaza an’izany? Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny zavatra ataon’izy ireny? Ary hataony ahoana ireny fivavahana ireny?

1. Nahoana no manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ampianarin’ny fivavahan-diso?

Tsy ny ‘marina momba an’Andriamanitra’ no ampianarin’ny fivavahan-diso fa ‘aleony lainga.’ (Romanina 1:25) Ny ankamaroan’ny fivavahana, ohatra, tsy mampianatra hoe iza no anaran’Andriamanitra. Ny Baiboly anefa miteny hoe tokony hampiasaina ny anarany. (Romanina 10:13, 14) Rehefa misy loza mitranga koa, dia milaza ny mpitondra fivavahana sasany hoe sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Lainga anefa izany. Tsy manao zavatra ratsy mihitsy Andriamanitra. (Vakio ny Jakoba 1:13.) Mampalahelo fa lasa tsy te hanatona an’Andriamanitra ny olona noho ny zavatra diso ampianarin’ny fivavahana.

2. Nahoana no manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny fivavahan-diso?

Mampijaly ny olona ny fivavahan-diso, fa tsy mba be fitiavana hoatran’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “nivangongo hatrany an-danitra” ny fahotan’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 18:5) Nanao politika sy nanohana ny ady ny fivavahana, nandritra ny taonjato maro. Tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny olona be dia be àry izy ireo. Ny mpitondra fivavahana sasany indray te hanan-karena, dia asainy mandoa vola ny mpiangona. Hita avy amin’izany fa tsy mahafantatra an’Andriamanitra ireny fivavahana ireny, ka tsy manana zo hisolo tena azy.​—Vakio ny 1 Jaona 4:8.

3. Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fivavahan-diso?

Tezitra ve ianao noho ny ataon’ny fivavahan-diso? Raha ianao aza tezitra, mainka moa fa i Jehovah! Marina fa be fitiavana izy, nefa mahatezitra azy ny mpitondra fivavahana satria mampianatra lainga momba azy sady mampijaly ny olona. Mampanantena i Jehovah fa horavana ny fivavahan-diso ary “tsy ho hita intsony.” (Apokalypsy 18:21) Kely sisa dia hofoanany ny fivavahan-diso rehetra.​—Apokalypsy 18:8.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa ireto: Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fivavahan-diso? Inona ny zavatra ratsy nataon’izy ireny, ary nahoana ianao no tokony hianatra momba an’i Jehovah foana na dia eo aza izany?

4. Tsy ny fivavahana rehetra no eken’Andriamanitra

Betsaka no mieritreritra hoe ny fivavahana fotsiny no samy hafa fa Andriamanitra iray ihany, mitovy amin’ny hoe ny lalana arahina no samy hafa fa ny toerana haleha iray ihany. Marina ve anefa izany? Vakio ny Matio 7:13, 14, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hoatran’ny ahoana ny lalana mankany amin’ny fiainana, araka ny Baiboly?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Milaza ve ny Baiboly hoe be dia be ny fivavahana eken’Andriamanitra?

5. Tsy mba be fitiavana hoatran’i Jehovah ny fivavahan-diso

Nanao zavatra be dia be manala baraka an’Andriamanitra ny fivavahana. Anisan’ny ratsy indrindra tamin’izany ilay hoe nandray anjara tamin’ny ady izy ireo. Jereo ity ohatra iray ity. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nataon’ny fivavahana maro nandritra ny Ady Lehibe II?

  • Ahoana no fahitanao ny zavatra nataon’izy ireo?

Vakio ny Jaona 13:34, 35 sy ny 17:16. Iaraho midinika avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mandray anjara amin’ny ady ny fivavahana?

  • Betsaka ny zavatra ratsy ataon’ny fivavahan-diso. Inona no hitanao hoe ataon’ny fivavahana ka mampiseho fa tsy mba be fitiavana hoatran’i Jehovah ry zareo?

Hita amin’ny ataon’ny fivavahan-diso hoe tsy mba be fitiavana hoatran’Andriamanitra izy ireo

6. Te hanampy ny olona hiala ao amin’ny fivavahan-diso Andriamanitra

Vakio ny Apokalypsy 18:4, a ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe te hanampy ny olona voafitaky ny fivavahan-diso Andriamanitra?

7. Tohizo foana ny fianaranao momba an’ilay tena Andriamanitra

Tokony hanova ny fiheveranao an’Andriamanitra ve ny zavatra ataon’ny fivavahan-diso? Eritrereto hoe misy ankizilahy iray tsy mety manaraka ny tenin’ny dadany. Niala tao an-trano izy, ary lasa nanao zavatra ratsy be dia be. Tena tsy tian’ny dadany ny zavatra ratsy ataony. Nahoana no tsy rariny raha ilay dadany indray no omena tsiny noho ny zavatra ataon’ilay zanany?

  • Rariny ve raha manome tsiny an’i Jehovah sy tsy mianatra momba azy intsony isika noho ny zavatra ataon’ny fivavahan-diso?

MISY MITENY HOE: “Tsara daholo ny fivavahana satria Andriamanitra iray ihany no tompoina.”

  • Hoatr’izany koa ve no tsapanao?

  • Samy milaza fa manompo an’Andriamanitra daholo ny fivavahana. Nahoana anefa no tsy izy rehetra no eken’Andriamanitra?

FAMINTINANA

Manala baraka an’Andriamanitra ny fivavahan-diso, satria mampianatra zavatra diso sy manao ratsy. Horavan’Andriamanitra izy ireny.

Famerenana

  • Inona no tsapanao rehefa fantatrao ny zavatra ampianarin’ny fivavahan-diso sy ataony?

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fivavahan-diso?

  • Hataon’Andriamanitra ahoana ny fivavahan-diso?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona ny zavatra roa ataon’ny ankamaroan’ny fivavahana nefa tsy tian’Andriamanitra?

“Mitovy ve ny Fivavahana Rehetra ary Samy Manampy ny Olona Hifandray Amin’Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana isika no tian’i Jehovah hiaraka amin’ny hafa rehefa manompo azy?

“Tsy Maintsy Manana ny Fivavahanao ve Ianao vao Ankasitrahan’Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Lasa tsy natoky ny fivavahany ny pretra iray. Nanohy nianatra ny marina momba an’Andriamanitra anefa izy.

“Nahoana Izy no Niala Tsy ho Pretra?” (Mifohaza! Febroary 2015)

a Nahoana ny fivavahan-diso no oharina amin’ny vehivavy iray antsoina hoe Babylona Lehibe, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? Jereo ny Fanamarihana 1.