LESONA 16

Inona no Nataon’i Jesosy Tamin’izy Teto An-tany?

Inona no Nataon’i Jesosy Tamin’izy Teto An-tany?

Rehefa mieritreritra an’i Jesosy ny olona, dia matetika zazakely na mpaminany na lehilahy mifantsika eo amin’ny hazo fijaliana no tonga ao an-tsainy. Hahafantatra azy bebe kokoa anefa isika raha mandinika ny fiainany tamin’izy teto an-tany. Ho hitantsika ato amin’ity lesona ity ny zavatra lehibe sasany nataon’i Jesosy sy ny vokatr’izany eo amintsika.

1. Inona no asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy?

Ny fitoriana “ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra” no tena nifantohan’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 4:43.) Inona ilay vaovao tsara notoriny? Hoe hanangana fanjakana iray Andriamanitra, ary hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona izy io. a Niezaka mafy izy nandritra ny telo taona sy tapany mba hiresaka an’izany tamin’ny olona.​—Matio 9:35.

2. Nahoana i Jesosy no nanao fahagagana?

Resahin’ny Baiboly hoe be dia be ny ‘zavatra miavaka sy fahagagana ary famantarana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy.’ (Asan’ny Apostoly 2:22) Nomen’Andriamanitra hery i Jesosy ka afaka nampitony rivo-mahery, nanome sakafo olona an’arivony, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Matio 8:23-27; 14:15-21; Marka 6:56; Lioka 7:11-17) Hita avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy hoe Andriamanitra no naniraka azy. Nasehon’izy ireny koa hoe mahavita mamaha ny olana mahazo antsika i Jehovah.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nataon’i Jesosy?

Nankatò an’i Jehovah foana i Jesosy. (Vakio ny Jaona 8:29.) Nataony daholo izay nampanaovin’ny Rainy azy, na dia nisy nanohitra aza izy. Nankatò foana izy mandra-pahafatiny. Nasehony tamin’izany hoe afaka manompo an’Andriamanitra ny olombelona, na dia miatrika zava-tsarotra aza. ‘Nanome modely ho antsika’ i Jesosy ‘mba hanarahantsika akaiky ny diany.’​—1 Petera 2:21.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe ahoana no nataon’i Jesosy mba hitoriana ny vaovao tsara, ary nahoana izy no nahavita fahagagana.

4. Nilaza vaovao tsara i Jesosy

Nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra tamin’ny lalana feno vovoka i Jesosy, mba hiresahana ny vaovao tsara tamin’ny olona faran’izay betsaka. Vakio ny Lioka 8:1, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Izay olona tonga mba hihaino azy ihany ve no niresahan’i Jesosy?

  • Inona no ezaka nataon’i Jesosy mba hahitana olona?

Efa niteny mialoha Andriamanitra hoe hilaza vaovao tsara ny Mesia. Vakio ny Isaia 61:1, 2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy an’io faminaniana io?

  • Araka ny hevitrao, mila maheno an’io vaovao tsara io koa ve ny olona amin’izao andro izao?

5. Nampianatra zavatra tena ilaina i Jesosy

Tsy hoe nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra fotsiny i Jesosy, fa nanome torohevitra ilaina amin’ny fiainana andavanandro koa. Misy ohatra vitsivitsy ao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra. Vakio ny Matio 6:14, 34 sy ny 7:12, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy eo amin’ireo andininy ireo?

  • Mbola mahasoa antsika ve ireo torohevitra ireo, araka ny hevitrao?

6. Nanao fahagagana i Jesosy

Nomen’i Jehovah hery i Jesosy ka afaka nanao fahagagana. Inona, ohatra, ny fahagagana nataony? Alefaso ilay VIDEO. Iaraho midinika avy eo ny fanontaniana.

  • Inona no natokisan’ilay vehivavy narary?

  • Inona amin’io fahagagana io no tena mahavariana anao?

Vakio ny Jaona 5:36, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Manaporofo inona ny fahagagana nataon’i Jesosy?

Fantatrao ve?

Avy ao amin’ny boky efatra antsoina hoe Filazantsara ny ankamaroan’ny zavatra fantatsika momba an’i Jesosy. Ireto avy izany: Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Samy nilaza tsipiriany momba an’i Jesosy ny mpanoratra azy ireo. Lasa fantatsika tsara ny fiainan’i Jesosy rehefa mamaky an’ireo boky efatra ireo isika.

  • MATIO

    Ny bokiny no vita voalohany. Ny zavatra nampianarin’i Jesosy no tena resahiny, indrindra fa ny Fanjakan’Andriamanitra.

  • MARKA

    Ny bokiny no fohy indrindra. Ny zavatra tena niavaka teo amin’ny fiainan’i Jesosy no tantarainy.

  • LIOKA

    Asongadiny hoe zava-dehibe tamin’i Jesosy ny vavaka. Resahiny koa hoe tsara fanahy tamin’ny vehivavy i Jesosy.

  • JAONA

    Tantarainy ao amin’ny bokiny ny zavatra maro noresahin’i Jesosy tamin’ny namany akaiky sy tamin’ny olon-kafa. Manampy antsika hahafantatra ny toetran’i Jesosy izany.

MISY MITENY HOE: “I Jesosy no Andriamanitra Mahery Indrindra!”

  • Ahoana ny hevitrao?

FAMINTINANA

Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, nanao fahagagana, ary nankatò an’i Jehovah foana.

Famerenana

  • Inona no asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany?

  • Manaporofo inona ny fahagagana nataon’i Jesosy?

  • Inona, ohatra, ny torohevitra nomen’i Jesosy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no lasa tsy tia tena intsony ny lehilahy iray rehefa nisaintsaina ny modelin’i Jesosy?

“Tia Tena Be Aho Taloha” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2014)

a Hiresaka bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Lesona 31-33.