LESONA 17

Hoatran’ny Ahoana ny Toetran’i Jesosy?

Hoatran’ny Ahoana ny Toetran’i Jesosy?

Lasa mahafantatra ny toetran’i Jesosy isika, rehefa mianatra momba ny zavatra nolazainy sy nataony tamin’izy teto an-tany. Manampy antsika ho lasa namany sy ho lasa naman’i Jehovah izany. Inona, ohatra, ny toetra tsaran’i Jesosy? Ary ahoana no hampisehoantsika hoe manahaka azy isika?

1. Inona no itovizan’i Jesosy amin’ny Rainy?

Afaka nandinika ny toetran’ny Rainy sy nianatra zavatra be dia be avy aminy i Jesosy, satria niaraka tany an-danitra izy ireo nandritra ny an’arivony tapitrisa taona. Lasa mitovy amin’ny an’i Jehovah àry ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny fomba fanaovany zavatra. (Vakio ny Jaona 5:19.) Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy, ka izany no nahatonga azy hiteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Hahafantatra kokoa an’i Jehovah ianao rehefa mianatra momba ny toetran’i Jesosy. Tia olona, ohatra, i Jesosy ka hita avy amin’izany hoe tia anao koa i Jehovah.

2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tia an’i Jehovah izy?

Nilaza i Jesosy hoe: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia izay nasain’ny Ray nataoko mihitsy no ataoko.” (Jaona 14:31) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tena tiany ny Rainy? Nankatò azy foana izy, na dia tsy mora aza izany indraindray. Nanampy ny olona mba ho lasa naman’ny Rainy koa izy sady niresaka momba azy foana.​—Jaona 14:23.

3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tia olona izy?

Milaza ny Baiboly hoe “tena [tian’i Jesosy] ny olombelona.” (Ohabolana 8:31) Ahoana no nampisehoany an’izany? Nampahery ny olona izy ary nahafoy tena nanampy azy ireo. Nanao fahagagana koa izy satria nangoraka ny olona, fa tsy hoe te hampiseho ny heriny fotsiny. (Marka 1:40-42) Tsara fanahy sy tsy nanavakavaka izy. Nampionona sy nanome fanantenana an’ireo nihaino azy ny zavatra nolazainy. Vonona hijaly sy ho faty i Jesosy satria tiany ny olona rehetra. Vao mainka aza tiany izay manaraka ny fampianarany.​—Vakio ny Jaona 15:13, 14.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe inona avy ny toetran’i Jesosy, ary ahoana no hampisehoantsika fa tia olona sy malala-tanana hoatr’azy isika.

4. Tian’i Jesosy ny Rainy

Rehefa mandinika ny ohatr’i Jesosy isika, dia lasa haintsika hoe ahoana no hampisehoantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah. Vakio ny Lioka 6:12 sy ny Jaona 15:10; 17:26. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha jerena ny ohatr’i Jesosy, ahoana no hampisehoantsika hoe tiantsika i Jehovah?

Tian’i Jesosy ilay Rainy any an-danitra ary nivavaka taminy matetika izy

5. Tia nanampy olona i Jesosy

Izay hahasoa ny olona aloha no notadiavin’i Jesosy, izay vao ny hahasoa azy. Na dia efa reraka aza izy, dia mbola nampiasa ny heriny sy ny fotoanany ihany mba hanampiana ny hafa. Vakio ny Marka 6:30-44, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona ny zavatra sasany nataon’i Jesosy, ka mampiseho hoe nieritreritra an’izay hahasoa ny olona izy?​—Jereo ny andininy 31, 3441, ary 42.

  • Inona no nahatonga an’i Jesosy hanampy ny olona?​—Jereo ny andininy 34.

  • Mitovy ny toetran’i Jehovah sy Jesosy. Inona àry ny toetran’i Jehovah hitantsika avy amin’io tantara io?

  • Nieritreritra an’izay hahasoa ny hafa i Jesosy. Ahoana no ampisehoantsika hoe manahaka azy isika?

6. Malala-tanana i Jesosy

Nalala-tanana i Jesosy na dia tsy nanan-javatra firy aza. Mampirisika antsika koa izy mba ho tia manome. Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no mahasambatra, araka ny nolazain’i Jesosy?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no azontsika ampisehoana hoe tia manome isika, na dia tsy manan-javatra firy aza?

Fantatrao ve?

Milaza ny Baiboly fa rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika dia tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy ilay izy. (Vakio ny Jaona 16:23, 24.) Asehontsika amin’izany hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jesosy isika. Nanampy antsika ho lasa naman’i Jehovah mantsy izy.

MISY MITENY HOE: “Kapoka avy amin’Andriamanitra ny fijaliana.”

  • Inona tamin’izay nataon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany no mampiseho hoe tsy kapoka avy amin’i Jehovah ny fijaliantsika?

FAMINTINANA

Tia an’i Jehovah i Jesosy sady tia olona. Hahafantatra kokoa an’i Jehovah isika arakaraka ny ianarantsika momba an’i Jesosy. Mitovy mantsy ny toetran’izy sy ny Rainy.

Famerenana

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah hoatran’i Jesosy isika?

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe tia olona hoatran’i Jesosy isika?

  • Inona ny toetran’i Jesosy tianao indrindra?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Betsaka ny toetran’i Jesosy azontsika tahafina. Inona ny sasany amin’izany?

“Te Hanahaka An’i Jesosy ve Ianao? Miezaha Àry...” (I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, pejy 317)

Miresaka momba ny paozin’i Jesosy ve ny Baiboly?

“Hoatran’ny Ahoana i Jesosy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)