LESONA 18

Ahoana no Ahafantarana ny Tena Kristianina?

Ahoana no Ahafantarana ny Tena Kristianina?

Olona an’arivony tapitrisa no milaza ho Kristianina. Tsy mitovy anefa ny zavatra inoan’izy ireo, ary samy hafa ny fitsipika arahiny. Ahoana àry no ahafantarana ny tena Kristianina?

1. Inona no dikan’ny hoe Kristianina?

Mpianatr’i Jesosy Kristy, na mpanara-dia azy, no atao hoe Kristianina. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:26.) Ahoana no ahalalana ny tena mpianany? Nilaza i Jesosy hoe: “Raha manaraka ny teniko foana ianareo, dia tena mpianatro tokoa.” (Jaona 8:31) Midika izany fa tsy maintsy manaraka ny fampianaran’i Jesosy ny tena Kristianina. Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’i Jesosy, ka avy ao amin’ny Baiboly koa ny zavatra inoan’ny tena Kristianina.​—Vakio ny Lioka 24:27.

2. Ahoana no ampisehoan’ny tena Kristianina hoe mifankatia izy ireo?

Niteny tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tiany ny mpianany? Nanokana fotoana hiarahana tamin’izy ireo izy, ary nampahery sy nanampy azy ireo. Nanaiky ho faty ho azy ireo mihitsy aza izy. (1 Jaona 3:16) Manahaka an’i Jesosy koa ny tena Kristianina. Tsy miteny fotsiny izy ireo hoe ilaina ny mifankatia, fa tena asehony amin’ny zavatra lazainy sy ataony mihitsy izany.

3. Inona no asa ifantohan’ny tena Kristianina?

Nisy asa iray nampanaovin’i Jesosy ny mpianany. ‘Nirahiny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo.’ (Lioka 9:2) Tsy tao amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo fotsiny ny Kristianina voalohany no nitory, fa teny amin’ny toerana be olona sy isan-trano koa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:42; 17:17.) Hoatr’izany koa no ataon’ny tena Kristianina amin’izao. Mitory any amin’izay rehetra ahitana olona izy ireo. Tiany ny mpiara-belona aminy, ka faly izy ireo mampiasa ny fotoanany sy ny heriny mba hiresahana ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.​—Marka 12:31.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe nahoana ny tena Kristianina no tsy mitovy amin’ireo olona tsy manaraka ny fampianaran’i Jesosy sy ny modeliny.

4. Mikaroka an’izay ampianarin’ny Baiboly izy ireo

Sarobidy tamin’ireo Kristianina voalohany ny Tenin’Andriamanitra

Milaza ho Kristianina ny olona sasany, nefa tsy zava-dehibe aminy ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ka nahatonga ny olona tsy hahafantatra ny fampianaran’i Jesosy?

Ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no nampianarin’i Jesosy. Vakio ny Jaona 18:37, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no ahafantarana an’ireo Kristianina “miandany amin’ny marina”, raha jerena ny tenin’i Jesosy?

5. Mitory an’izay ampianarin’ny Baiboly izy ireo

Nitory tamin’ny olona ireo Kristianina voalohany

Talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nisy asa nasainy nataon’ny mpanara-dia azy. Mbola mitohy hatramin’izao io asa io. Vakio ny Matio 28:19, 20 sy ny Asan’ny Apostoly 1:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hatraiza ny mpanara-dia an’i Jesosy no hitory, ary hatramin’ny rahoviana?

6. Mampihatra ny zavatra toriny izy ireo

Nahoana ny lehilahy iray atao hoe Tom no resy lahatra fa nahita ny tena Fivavahana Kristianina? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana i Tom no kivy tamin’ny fivavahana?

  • Nahoana izy no resy lahatra hoe nahita ny fivavahana marina?

Tsy ny zavatra lazainy fotsiny no ahafantarana ny tena Kristianina, fa ny zavatra ataony koa. Vakio ny Matio 7:21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka ny tenin’i Jesosy, nahoana no tsy ampy ny miteny fotsiny hoe mpanara-dia azy isika?

7. Mifankatia izy ireo

Nifankatia ireo Kristianina voalohany

Efa nisy Kristianina vonona ho faty ho an’ny mpiray finoana aminy ve? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana ny Rahalahy Lloyd no vonona ho faty ho an’ny Rahalahy Johansson?

  • Araka ny hevitrao, tena Kristianina ve izy raha jerena ny zavatra nataony?

Vakio ny Jaona 13:34, 35, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fomba itondran’ny tena Kristianina an’ireo olona tsy mitovy volon-koditra na firenena aminy?

  • Ahoana no ampisehoan’izy ireo an’izany rehefa misy ady?

MISY MITENY HOE: “Be dia be ny fivavahana kristianina. Iza amin’ireny no marina?”

  • Inona ny andinin-teny azonao vakina, raha te hanazava ianao hoe ahoana no ahafantarana ny tena Kristianina?

FAMINTINANA

Manaraka ny fampianaran’ny Baiboly ny tena Kristianina. Be fitiavana sy mahafoy tena koa izy ireo, ary mitory an’izay ampianarin’ny Baiboly.

Famerenana

  • Avy aiza ny zavatra inoan’ny tena Kristianina?

  • Inona no toetra ahafantarana ny tena Kristianina?

  • Inona no asa ataon’ny tena Kristianina?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Misy olona tena miezaka manaraka ny modelin’i Jesosy sy ny fampianarany ve?

Iza moa Izahay Vavolombelon’i Jehovah? (1:13)

Masera ny vehivavy iray taloha. Ho hitanao ato hoe nahazo ‘anadahy sy rahavavy eran-tany’ izy tatỳ aoriana.

“Nampiasa Baiboly Foana ry Zareo!” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2014)

Ahoana no ampisehoan’ny tena Kristianina hoe be fitiavana izy ireo, rehefa misy namany mila fanampiana?

Ampiantsika ny Rahalahintsika Rehefa Misy Loza—Ampahany (3:57)