LESONA 24

Iza ny Anjely ary Inona no Ataony?

Iza ny Anjely ary Inona no Ataony?

Tian’i Jehovah hahafantatra ny fianakaviany any an-danitra isika. Anisan’ny fianakaviany ny anjely. Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireo. (Joba 38:7) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny anjely? Inona no ataon’izy ireo? Ary ny anjely rehetra ve no anisan’ny fianakavian’Andriamanitra?

1. Iza ny anjely?

Namorona ny anjely i Jehovah talohan’ny namoronany ny tany. Tsy hita maso izy ireo ary mipetraka any an-danitra, hoatran’i Jehovah ihany. (Hebreo 1:14) An-tapitrisany ny anjely ary samy manana ny maha izy azy. (Apokalypsy 5:11) “Manatanteraka ny [baikon’i Jehovah] sy mankatò ny teniny” izy ireo. (Salamo 103:20) Naniraka anjely i Jehovah taloha mba hitondra hafatra, na hanampy sy hamonjy ny vahoakany. Manampy ny Kristianina koa ny anjely amin’izao andro izao, ka mitarika azy ireo ho any amin’ny olona te hianatra momba an’Andriamanitra.

2. Iza i Satana sy ny demoniany?

Nivadika tamin’i Jehovah ny anjely sasany. “Antsoina hoe Devoly sy Satana” ilay anjely voalohany nivadika, ary “mamitaka ny tany manontolo” izy. (Apokalypsy 12:9) Te ho mpitondra i Satana, ka nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Nitarika anjely sasany tsy hankatò koa aza izy tatỳ aoriana, ary antsoina hoe demonia izy ireny. Noroahin’i Jehovah avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, ary nalefany tetỳ an-tany. Horinganiny izy ireo amin’ny hoavy.​—Vakio ny Apokalypsy 12:9, 12.

3. Ahoana no ataon’i Satana sy ny demonia mba hamitahana ny olona?

Mamitaka olona be dia be i Satana sy ny demonia, ka mampirisika azy ireo hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Ny olona sasany, ohatra, mankany amin’ny mpanandro, mpilaza ny hoavy, na mpilalao ody. Ny hafa indray mijery tononandro na manaraka fitsaboana misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Misy koa voafitaka ka mieritreritra hoe mbola afaka miresaka amin’ny maty izy. Mampitandrina antsika anefa i Jehovah hoe: “Aza mankany amin’ny mpamoha angatra na maka hevitra amin’ny mpilaza ny hoavy.” (Levitikosy 19:31) Te hiaro antsika amin’i Satana sy ny demoniany mantsy izy. Fahavalon’Andriamanitra izy ireo ary te hanisy ratsy antsika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika ireto: Inona ny zavatra tsara ataon’ny anjely? Nahoana no mampidi-doza ny manao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina? Ary ahoana no atao raha te ho voaro amin’i Satana sy ny demonia?

4. Manampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah ny anjely

Tsy mitory mivantana amin’ny olona ny anjely. Mitarika ny mpanompon’Andriamanitra kosa izy ireo mba ho any amin’ny olona te hianatra momba an’i Jehovah. Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana isika no mila ny fanampian’ny anjely rehefa mitory?

  • Afaka mitarika anao ho any amin’ny olona te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly ny anjely. Mampahery anao ve izany? Nahoana?

5. Aza manao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina

Fahavalon’i Jehovah i Satana sy ny demonia. Fahavalontsika koa izy ireo. Vakio ny Lioka 9:38-42, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ataon’ny demonia ahoana ny olona?

Tsy avelantsika hifandray amintsika mihitsy ny demonia. Vakio ny Deoteronomia 18:10-12, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ataon’ny demonia mba hifandraisana amintsika sy hahatonga antsika hanao izay tiany? Inona no fanaon’ny olona etỳ aminareo?

  • Mandrara antsika tsy hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina i Jehovah. Mahasoa antsika ve izany, araka ny hevitrao? Nahoana?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Araka ny hevitrao, mampidi-doza ve ilay ody fiaro teo amin’ny tanan’ny zanak’i Palesa? Nahoana?

  • Inona no tsy maintsy nataon’i Palesa mba ho voaro amin’ny demonia izy?

Nanohitra ny demonia foana ny tena Kristianina hatramin’izay. Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:19 sy ny 1 Korintianina 10:21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha manana zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ianao, nahoana ilay izy no mila potehina?

6. Afaka mandresy an’i Satana sy ny demoniany ianao

I Satana no mitarika ny demonia. I Mikaela arkanjely kosa no mitarika ny anjely tsy mivadika. Anarana hafa iantsoana an’i Jesosy izy io. Hoatran’ny ahoana ny herin’i Mikaela? Vakio ny Apokalypsy 12:7-9, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Iza no mahery kokoa: I Mikaela sy ny anjeliny sa i Satana sy ny demoniany?

  • Araka ny hevitrao, tokony hatahotra an’i Satana sy ny demoniany ve ny mpanara-dia an’i Jesosy?

Afaka mandresy an’i Satana sy ny demoniany ianao. Vakio ny Jakoba 4:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no azonao atao mba ho voaro amin’i Satana sy ny demoniany ianao?

MISY MITENY HOE: “Tsy mampaninona ny mijery filma na manao lalao video misy resaka herin’ny maizina. Fialam-boly fotsiny ilay izy.”

  • Nahoana no mampidi-doza ny mieritreritra hoatr’izany?

FAMINTINANA

Manampy antsika ny anjely tsy mivadika. Fahavalon’i Jehovah kosa i Satana sy ny demoniany. Fitahin’izy ireo ny olona ka ampirisihiny hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina.

Famerenana

  • Inona no ataon’ny anjely tsy mivadika mba hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jehovah?

  • Iza i Satana sy ny demoniany?

  • Nahoana ianao no tsy te hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina mihitsy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no porofo hoe tena misy ny Devoly fa tsy toetra ratsy ao anatintsika fotsiny?

“Tena Misy ve ny Devoly?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)