LESONA 25

Fiainana Hoatran’ny Ahoana no Tian’Andriamanitra ho Antsika?

Fiainana Hoatran’ny Ahoana no Tian’Andriamanitra ho Antsika?

Milaza ny Baiboly hoe “fohy andro iainana” ny olombelona “sady tototry ny olana.” (Joba 14:1) Izany ve no fiainana noeritreretin’Andriamanitra ho antsika sa hafa mihitsy? Raha zavatra tsara no noeritreretiny ho antsika, dia mba ho tanteraka ihany ve ilay izy? Mampahery ny valiny omen’ny Baiboly.

1. Fiainana hoatran’ny ahoana no tian’i Jehovah ho antsika?

Tena tian’i Jehovah ho sambatra isika. Rehefa namorona an’i Adama sy Eva izy, dia napetrany tao amin’ny paradisa tsara tarehy antsoina hoe zaridainan’i Edena izy ireo. “Nitso-drano azy ireo koa Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.’” (Genesisy 1:28) Tian’i Jehovah hanan-janaka izy ireo, hanova ny tany manontolo ho paradisa, ary hikarakara ny biby. Ny tanjony dia hoe ho salama tsara sy hiaina mandrakizay ny olona rehetra.

Tsy hoatr’izany ny fiainantsika amin’izao, a nefa tsy niova ny zavatra eritreretin’Andriamanitra hatao ho antsika. (Isaia 46:10, 11) Mbola tiany hiaina mandrakizay sy ho sambatra ny olombelona mankatò azy.​—Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.

2. Inona no hanampy antsika ho sambatra dieny izao?

Mila ny tari-dalan’i Jehovah isika satria efa izay mihitsy no namoronany antsika. Izany no mahatonga antsika hoe te hahafantatra sy te hanompo azy. (Vakio ny Matio 5:3-6.) Tiany hifandray akaiky aminy isika, ‘hanaraka ny lalana rehetra atorony, ho tia azy’, ary hanompo azy ‘amin’ny fo manontolo.’ (Deoteronomia 10:12; Salamo 25:14) Raha manao an’izany isika, dia tena ho sambatra na dia manana olana aza. Lasa misy dikany ny fiainantsika rehefa manompo an’i Jehovah isika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no mampiseho fa be fitiavana i Jehovah rehefa namorona ny tany. Hojerentsika ao amin’ny Baiboly koa hoe fiainana hoatran’ny ahoana no eritreretiny ho antsika.

3. Tian’i Jehovah ho sambatra ny olombelona

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana Andriamanitra no namorona an’ity tany tsara tarehy ity?

Vakio ny Mpitoriteny 3:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka io andinin-teny io, fiainana hoatran’ny ahoana no tian’i Jehovah ho antsika?

4. Tsy niova ny zavatra eritreretin’i Jehovah hatao ho antsika

Vakio ny Salamo 37:11, 29 sy ny Isaia 55:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no ahalalantsika hoe tsy niova ny zavatra eritreretin’i Jehovah hatao ho antsika?

5. Lasa sambatra isika rehefa manompo an’i Jehovah

Sambatra isika rehefa mahafantatra hoe fiainana hoatran’ny ahoana no tian’i Jehovah ho antsika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no soa azon’i Terumi rehefa fantany ny antony namoronan’Andriamanitra ny olona?

Vakio ny Mpitoriteny 12:13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nanao zavatra be dia be ho antsika i Jehovah. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka azy isika?

METY HISY HANONTANY HOE: “Maninona Andriamanitra no namorona antsika raha tsy maintsy ho faty ihany isika?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah hiaina mandrakizay eto an-tany isika, ary ho tsara be ny fiainana amin’izay. Dieny izao anefa isika dia efa afaka ny ho sambatra, raha manompo azy amin’ny fo manontolo.

Famerenana

  • Fiainana hoatran’ny ahoana no noeritreretin’i Jehovah ho an’i Adama sy Eva?

  • Ahoana no ahalalantsika hoe tsy niova ny zavatra eritreretin’i Jehovah hatao ho an’ny olombelona?

  • Inona no hanampy anao ho sambatra dieny izao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nieritreritra ny lehilahy iray fa nanana ny zava-drehetra izy. Hitany anefa hoe nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainany.

Misy Dikany Kokoa Izao ny Fiainako (3:55)

a Ho hitantsika ao amin’ny lesona manaraka ny antony.