LESONA 26

Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?

Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?

Rehefa misy loza dia matetika ny olona no lasa saina hoe fa maninona ilay izy no mitranga. Faly isika satria tena mamaly an’izany ny Baiboly.

1. Inona no nataon’i Satana ka nahatonga ny zava-dratsy hisy?

Nanohitra an’Andriamanitra i Satana Devoly. Notaominy hanao hoatr’azy koa i Adama sy Eva, satria te ho lasa mpitondra izy. Nandainga tamin’i Eva àry izy. (Genesisy 3:1-5) Nataon’i Satana izay hieritreretan’i Eva hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena azy. Te hilaza koa izy hoe ho sambatra kokoa ny olombelona raha tsy mankatò an’Andriamanitra. Niteny i Satana hoe tsy ho faty i Eva, ary io no lainga voalohany. Izany no mahatonga ny Baiboly hiantso an’i Satana hoe “mpandainga ... sady rain’ny lainga.”​—Jaona 8:44.

2. Inona no nataon’i Adama sy Eva?

Nomen’i Jehovah zavatra be dia be i Adama sy Eva. Nilaza izy hoe afaka nihinana ny voan’ny hazo rehetra tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Ny voan’ny hazo iray ihany no tsy azon’izy ireo nohanina. (Genesisy 2:15-17) Nakan’i Eva anefa ny voan’ilay hazo ka nohaniny. Nihinana an’ilay izy koa i Adama avy eo. (Genesisy 3:6) Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. Nandeha ho azy tamin-dry zareo ny hoe manao ny tsara, satria lavorary izy ireo. Fanahy iniany àry ilay hoe tsy nankatò. Nanota izy ireo sady nampiseho hoe tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra intsony. Nijaly be izy ireo noho izany.​—Genesisy 3:16-19.

3. Misy vokany amintsika ve ny fanapahan-kevitr’i Adama sy Eva?

Lasa tsy lavorary i Adama sy Eva rehefa nanota, ary lasa tsy lavorary koa ny taranany. Izao no lazain’ny Baiboly momba an’i Adama: ‘Noho ny nataon’ny lehilahy iray no nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’​—Romanina 5:12.

Betsaka ny antony mahatonga antsika hijaly. Mijaly isika indraindray satria tsy mahay manapa-kevitra. Mety ho ny fanapahan-kevitry ny hafa koa no mahatonga antsika hijaly. Misy fotoana koa isika mijaly satria tratran’ny loza tsy ampoizina.​—Vakio ny Mpitoriteny 9:11.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no porofo fa tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy sy ny fijaliana, ary inona no tsapany rehefa mijaly isika.

4. Iza no mahatonga antsika hijaly?

Betsaka no mieritreritra hoe Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao. Marina ve izany? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Jakoba 1:13 sy ny 1 Jaona 5:19, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Avy amin’Andriamanitra ve ny zava-dratsy sy ny fijaliana?

5. Inona no vokatry ny fitondran’i Satana?

Vakio ny Genesisy 3:1-6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no lainga nolazain’i Satana?​—Jereo ny andininy 4 sy 5.

  • Ahoana no fomba nilazan’i Satana hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena ny olombelona?

  • Raha jerena ny tenin’i Satana, mila an’i Jehovah mba ho Mpitondra azy ve ny olombelona raha te ho sambatra?

Vakio ny Mpitoriteny 8:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no nitranga rehefa tsy i Jehovah intsony no Mpitondra an’izao tontolo izao?

  1. A. Lavorary i Adama sy Eva ary niaina tao amin’ny Paradisa. Nihaino an’i Satana anefa izy ireo ka tsy nankatò an’i Jehovah

  2. B. Lasa mpanota ny olona ary mijaly sy maty

  3. D. Hesorin’i Jehovah ny ota sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Ho lavorary indray ny olona ary hiaina ao amin’ny Paradisa

6. Malahelo i Jehovah mahita antsika mijaly

Tsy miraharaha ny fijaliantsika ve Andriamanitra? Jereo hoe inona no nosoratan’i Davida Mpanjaka sy ny apostoly Petera. Vakio ny Salamo 31:7 sy ny 1 Petera 5:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe mahita ny fijaliantsika i Jehovah sady miahy antsika?

7. Hesorin’​Andriamanitra ny zavatra rehetra mampijaly antsika

Vakio ny Isaia 65:17 sy ny Apokalypsy 21:3, 4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hesorin’i Jehovah ny zavatra rehetra mampijaly ny olombelona. Nahoana no mampahery anao ny mahafantatra an’izany?

Fantatrao ve?

Nanendrikendrika an’i Jehovah i Satana rehefa niteny an’ilay lainga voalohany. Lasa ratsy laza i Jehovah satria nataon’i Satana izay hieritreretan’ny olona hoe tsy manao ny rariny izy sady tsy manam-pitiavana. Hanamasina ny anarany anefa i Jehovah rehefa hanala ny fijaliana amin’ny hoavy. Hoporofoiny hoe izy ihany no Mpitondra tsara indrindra. Tena zava-dehibe io fanamasinana ny anaran’i Jehovah io.​—Matio 6:9, 10.

MISY MITENY HOE: “Efa lahatr’Andriamanitra ny fijaliana.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Ny zavatra nataon’i Adama sy Eva ary Satana Devoly no tena nahatonga ny zava-dratsy hisy. Hitan’i Jehovah ny fijaliantsika, ary kely sisa izany dia hesoriny.

Famerenana

  • Inona no lainga notenenin’i Satana Devoly tamin’i Eva?

  • Rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva, dia inona no vokatr’izany tamin’ny olona rehetra?

  • Ahoana no ahalalantsika hoe hitan’i Jehovah ny fijaliantsika?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Lasa fantatry ny lehilahy iray hoe maninona ny olona no mijaly.

Tsy Irery Intsony Aho Izao (5:09)