LESONA 28

Ankasitraho Izay Nataon’i Jehovah sy Jesosy ho Anao

Ankasitraho Izay Nataon’i Jehovah sy Jesosy ho Anao

Efa nisy fotoana ve ianao nahazo fanomezana avy amin’ny namanao? Azo antoka fa faly be ianao tamin’izay, sady te hampiseho hoe mankasitraka an’ilay izy. Ny vidim-panavotana no fanomezana tsara indrindra azontsika, ary i Jehovah sy Jesosy no nanome azy io. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’io fanomezana io isika?

1. Inona no hataontsika raha mankasitraka an’izay nataon’Andriamanitra sy Kristy isika?

Mampanantena ny Baiboly fa hiaina mandrakizay “izay rehetra maneho finoana [an’i Jesosy].” (Jaona 3:16) Ahoana ilay hoe maneho finoana? Tsy hoe mino an’i Jesosy fotsiny no dikan’izany, fa hoe mampiseho ny finoantsika amin’ny safidy sy ny zavatra ataontsika koa. (Jakoba 2:17) Vao mainka isika ho lasa naman’i Jesosy sy Jehovah Rainy, rehefa asehontsika amin’ny zavatra lazaintsika sy ataontsika hoe manam-pinoana isika.​—Vakio ny Jaona 14:21.

2. Inona ny fotoan-dehibe ahafahantsika mampiseho hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy isika?

Misy fomba iray hafa koa azontsika ampisehoana hoe mankasitraka ny sorona nataon’i Jesosy isika. Niresaka momba an’izany tamin’ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Tamin’io izy no nankalaza voalohany an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Sakafo Harivan’ny Tompo”, na Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. (1 Korintianina 11:20) Tiany hotadidin’ny apostoliny sy ny Kristianina rehetra hoe nanome ny ainy ho an’ny olombelona izy. Nilaza àry izy hoe: “Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Hita hoe mankasitraka ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah sy Jesosy ianao, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe ahoana koa no hampisehoantsika fa mankasitraka ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah sy Jesosy isika. Hojerentsika avy eo hoe nahoana no zava-dehibe ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

3. Asehoy hoe mahay mankasitraka ianao

Eritrereto hoe saika maty an-drano ianao nefa nisy nanavotra. Hohadinoinao fotsiny ve ilay olona nanavotra anao, sa hitady fomba hisaorana azy ianao?

Tsy ho voavonjy koa isika raha tsy nanao zavatra i Jehovah. Vakio ny 1 Jaona 4:8-10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no fanomezana miavaka ny sorona nataon’i Jesosy?

  • Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao ianao?

Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika isika? Vakio ny 2 Korintianina 5:15 sy ny 1 Jaona 4:11; 5:3. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka io andinin-teny io, ahoana no hampisehoantsika hoe mahay mankasitraka isika?

4. Araho ny modelin’i Jesosy

Ho hita koa hoe mahay mankasitraka isika raha manahaka an’i Jesosy. Vakio ny 1 Petera 2:21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no hampisehoanao hoe manaraka akaiky ny dian’i Jesosy ianao?

5. Tongava amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy

Hoatran’ny ahoana ilay Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany? Vakio ny Lioka 22:14, 19, 20, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no nitranga nandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

  • Mifanitsy amin’ny inona ny mofo sy ny divay?​—Jereo ny andininy 19 sy 20.

Tian’i Jesosy hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny mpianany rehefa mitsingerina ny andro nahafatesany. Miara-mivory àry ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy. Manaraka tsara ny modelin’i Jesosy izy ireo rehefa manao an’izany. Alefaso ilay VIDEO miresaka momba an’io fotoan-dehibe io, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no mitranga mandritra ny Fahatsiarovana?

Ny mofo dia mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy lavorary, izay nataony sorona ho antsika. Ny divay indray mifanitsy amin’ny rany

MISY MITENY HOE: “Rehefa mino an’i Jesosy ianao dia efa voavonjy.”

  • Ahoana no azonao ampiasana ny Jaona 3:16 sy ny Jakoba 2:17 mba hampisehoana hoe misy zavatra hafa mila atao koa?

FAMINTINANA

Asehontsika hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jesosy ho antsika isika, rehefa maneho finoana azy sy manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany.

Famerenana

  • Inona no dikan’ny hoe maneho finoana an’i Jesosy?

  • Inona no tianao hatao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao ianao?

  • Nahoana no tena zava-dehibe ny manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy?

Tanjona