LESONA 29

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Efa nisy fianakavianao na namanao maty ve? Azo antoka hoe mafy be taminao ilay izy. Mety ho lasa saina ianao tamin’izay hoe: ‘Manao ahoana ny olona rehefa maty? Mbola ho velona indray ve ry zareo?’ Ho hitanao ato amin’ity lesona ity sy ao amin’ny lesona manaraka ny valiny omen’ny Baiboly.

1. Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso lalina ny fahafatesana. Nahoana? Tsy mahafantatra an’izay mitranga manodidina azy ny olona rehefa matory be. Hoatr’izany koa ny olona rehefa maty. Tsy mahatsapa fanaintainana intsony, ohatra, izy sady tsy mahatsiaro ho manirery. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty.’​—Vakio ny Mpitoriteny 9:5.

2. Inona no soa raisintsika rehefa fantatsika ny marina momba ny maty?

Betsaka no matahotra ny ho faty, ary misy aza matahotra olona efa maty. Mampahery anefa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana. Nilaza i Jesosy hoe: “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Misy fivavahana mampianatra hoe rehefa maty ny olona, dia mbola velona ny fanahiny. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. Tsy mijaly àry ny olona rehefa maty. Tsy afaka manisy ratsy antsika koa izy ireny, satria tsy mahalala na inona na inona. Hita avy amin’izany hoe tsy misy antony tokony hivavahana amin’ny razana na hanaovana fombafomba mba tsy hampahatezitra azy ireny. Tsy misy antony tokony hivavahana ho azy ireny koa.

Misy milaza hoe afaka miresaka amin’ny olona efa maty izy. Tsy mitombina anefa izany. Hitantsika teo mantsy hoe “tsy mahalala na inona na inona” ny maty. Iza àry no iresahan’ireny olona milaza fa miresaka amin’ny maty ireny? Miresaka amin’ny demonia misandoka ho olona efa maty izy ireny, raha ny marina. Voaro amin’ny demonia àry isika rehefa mahafantatra ny marina momba ny maty. Mampitandrina antsika i Jehovah mba tsy hifandray amin’ny olona efa maty, satria fantany hoe hifandray amin’ny demonia isika ary hampidi-doza antsika izany.​—Vakio ny Deoteronomia 18:10-12.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny maty. Vao mainka ianao hino an’ilay Andriamanitra be fitiavana rehefa fantatrao hoe tsy mampijaly ny olona efa maty izy.

3. Manao ahoana marina ny olona rehefa maty?

Samy manana ny heviny ny olona rehefa anontaniana hoe manao ahoana isika rehefa maty. Tsy mitombina hoe marina daholo ireny zavatra inoan’ny olona ireny.

  • Inona ny zavatra inoan’ny olona etỳ aminareo momba ny maty?

Inona no ampianarin’ny Baiboly? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Mpitoriteny 3:20, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Araka io andinin-teny io, manao ahoana ny olona rehefa maty?

  • Misy fanahy miala ve amin’ny olona rehefa maty izy, dia avy eo iny mbola velona any ho any?

Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny nahafatesan’i Lazarosy, naman’i Jesosy. Vakio ny Jaona 11:11-14, ary jereo hoe inona no nolazain’i Jesosy rehefa maty i Lazarosy. Iaraho midinika avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Nampitovin’i Jesosy tamin’ny inona ny fahafatesana?

  • Raha jerena ny tenin’i Jesosy, manao ahoana ny olona rehefa maty?

  • Mitombina ve ny zavatra ampianarin’ny Baiboly momba ny maty, araka ny hevitrao?

4. Mahasoa antsika ny mahalala ny marina momba ny maty

Tsy matahotra olona efa maty isika rehefa mahalala ny marina. Vakio ny Mpitoriteny 9:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Afaka manisy ratsy antsika ve ny maty?

Rehefa mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly koa isika, dia tsy voafitak’ilay lainga hoe ilaina ny mivavaka amin’ny razana na manao fombafomba mba tsy hampahatezitra azy ireny. Vakio ny Isaia 8:19 sy ny Apokalypsy 4:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona mivavaka amin’ny razana na mangataka fanampiana amin’izy ireny?

Tsy manao fombafomba halan’i Jehovah isika rehefa mahafantatra ny marina momba ny maty

5. Mampionona antsika ny mahalala ny marina momba ny maty

Betsaka no nampianarina hoe rehefa maty izy, dia hijalijaly noho ny zavatra ratsy nataony. Mampionona antsika anefa ny mahalala hoe tsy mijaly ny olona rehefa maty, na dia nanao zavatra ratsy be aza. Vakio ny Romanina 6:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Milaza ny Baiboly hoe afaka madiodio amin’ny fahotany ny olona iray rehefa maty. Mbola mijaly noho ny zavatra ratsy nataony ve izany izy?

Rehefa mahafantatra kokoa an’i Jehovah isika, dia vao mainka ho resy lahatra hoe tsy mampijaly ny maty izy. Vakio ny Deoteronomia 32:4 sy ny 1 Jaona 4:8, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Raha jerena ny toetran’Andriamanitra resahin’ireo andininy ireo, mampijaly ny maty ve izy?

  • Mampionona anao ve ny mahafantatra ny marina momba ny maty? Nahoana?

MISY MITENY HOE: “Matahotra aho hoe sao dia hijalijaly rehefa maty.”

  • Inona ny andinin-teny mampahery azonao resahina aminy?

FAMINTINANA

Tsy mahalala na inona na inona intsony ny olona rehefa maty. Tsy mijaly izy ireny, ary tsy afaka manisy ratsy antsika.

Famerenana

  • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

  • Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala ny marina momba ny maty?

  • Nahoana no mampionona antsika ny mahalala ny marina momba ny maty?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ampijalin’Andriamanitra any amin’ny afobe ve ny mpanao ratsy?

Tena Toerana Fampijaliana Olona ve ny Afobe? (3:07)