LESONA 30

Mbola ho Velona Indray ny Havanao na ny Namanao Efa Maty!

Mbola ho Velona Indray ny Havanao na ny Namanao Efa Maty!

Malahelo be isika rehefa misy havantsika na namantsika maty. Ara-dalàna àry raha antsoin’ny Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Hitantsika tao amin’ny Lesona 27 hoe hofoanan’i Jehovah io fahavalo io. Ahoana anefa ireo olona efa maty? Ho hitanao ato amin’ity lesona ity fa misy zavatra tsara be ampanantenain’i Jehovah. Olona an-tapitrisany no hatsangany amin’ny maty ka hiaina mandrakizay. Tena hitranga tokoa ve izany? Hiaina eto an-tany sa any an-danitra ireo hatsangana amin’ny maty?

1. Inona no tian’i Jehovah hatao ho an’ireo olona efa maty?

Tena te hanangana an’ireo olona efa maty i Jehovah. Natoky, ohatra, ilay lehilahy nanam-pinoana antsoina hoe Joba fa tsy hanadino azy Andriamanitra raha maty izy. Nilaza izy hoe: “Hiantso ianao, dia hamaly anao [avy ao amin’ny Fasana] aho.”​—Vakio ny Joba 14:13-15.

2. Ahoana no ahafantarantsika hoe azo atsangana ny maty?

Nomen’Andriamanitra hery hananganana ny maty i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Natsangany tamin’ny maty ny ankizivavikely iray 12 taona sy ny zanakalahin’ny mpitondratena iray. (Marka 5:41, 42; Lioka 7:12-15) Maty i Lazarosy naman’i Jesosy, tatỳ aoriana. Vitan’i Jesosy ny nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty, na dia efa efatra andro aza izy no nalevina. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy, ary niteny fotsiny hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia “nivoaka ilay lehilahy efa maty.” (Jaona 11:43, 44) Azo antoka hoe faly be ny fianakavian’i Lazarosy sy ny namany rehefa nahita azy velona indray.

3. Mbola ho velona indray ve ny havanao na ny namanao efa maty?

Mampanantena ny Baiboly fa hatsangana ny maty. (Asan’ny Apostoly 24:15) Tsy niakatra tany an-danitra ny olona natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. (Jaona 3:13) Faly izy ireo hoe teto an-tany no natsangana. Tsy ho ela koa dia hisy olona an-tapitrisany hatsangan’i Jesosy amin’ny maty, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy ireo. Nilaza izy hoe mbola ho velona indray izay rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, na dia ireo efa hadinon’ny olona aza.​—Jaona 5:28, 29.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no porofo fa mahavita manangana ny maty i Jesosy sady tena hanao an’izany, ary nahoana no mampionona sy manome fanantenana antsika ny mahalala hoe hatsangana ny maty.

4. Nasehon’i Jesosy hoe vitany ny manangana ny maty

Inona no nataon’i Jesosy rehefa maty i Lazarosy? Vakio ny Jaona 11:14, 38-44, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ahalalantsika hoe tena maty i Lazarosy?​—Jereo ny andininy 39.

  • Tsara fanahy ve i Jesosy raha hoe efa lasa tany an-danitra i Lazarosy nefa naveriny tetỳ an-tany indray?

Alefaso ilay VIDEO.

5. Betsaka no hatsangana amin’ny maty!

Vakio ny Salamo 37:29, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Aiza no hiaina ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty?

Tsy izay nanompo an’i Jehovah ihany no hatsangan’i Jesosy amin’ny maty, fa hisy olon-kafa be dia be koa. Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Iza no mba tianao ho hita indray rehefa hatsangana ny maty?

Tsy sarotra amin’i Jesosy ny manangana ny maty. Hoatran’ny hoe mamoha olona iray matory fotsiny izy

6. Mampionona sy manome fanantenana antsika ny mahalala hoe hatsangana ny maty

Nampionona sy nampahery olona maro ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ny zanakavavin’i Jairo. Vakio ny Lioka 8:40-42, 49-56.

Izao no nolazain’i Jesosy tamin’i Jairo, talohan’ny nananganany an’ilay zanany tamin’ny maty: “Aza matahotra! Minoa fotsiny.” (Jereo ny andininy 50.) Nahoana no mahasoa anao ny manantena hoe mbola hatsangana ny maty...

  • raha maty ny havanao na ny namanao?

  • raha atahorana ny ainao?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Manantena ny ray aman-drenin’i Phelicity hoe mbola hatsangana ny maty. Nahoana izany no nampionona sy nampahery azy ireo?

MISY MITENY HOE: “Any an-danitra no hatsangana ny maty, fa tsy eto an-tany.”

  • Ahoana ny hevitrao?

  • Inona ny andinin-teny azonao ampiasaina mba hampisehoana hoe hisy fitsanganana amin’ny maty eto an-tany?

FAMINTINANA

Mampanantena ny Baiboly fa hisy olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty. Tian’i Jehovah ho velona indray izy ireny, ka nomeny hery hananganana ny maty i Jesosy.

Famerenana

  • Inona no porofo hoe tena te hanangana ny maty i Jehovah sy Jesosy?

  • Aiza no hiaina ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty: Any an-danitra sa eto an-tany? Nahoana ianao no milaza an’izany?

  • Nahoana ianao no resy lahatra hoe mbola ho velona indray ny havanao na ny namanao efa maty?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Tena afaka manampy ny olona nidonam-pahoriana ve ny toro lalan’ny Baiboly?

Maty ve ny Olona Iray Akaikin’ny Fonao? (5:06)