LESONA 34

Ahoana no Ampisehoantsika hoe Tiantsika i Jehovah?

Ahoana no Ampisehoantsika hoe Tiantsika i Jehovah?

Tsapanao ve hoe lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao hatramin’izay nianaranao Baiboly izay? Tianao ve raha vao mainka ianareo lasa mpinamana be? Tadidio fa rehefa hitan’i Jehovah hoe mitombo ny fitiavanao azy, dia vao mainka izy ho tia sy hikarakara anao. Ahoana àry no ampisehoanao hoe tianao izy?

1. Ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika i Jehovah?

Hita hoe tia an’i Jehovah isika rehefa mankatò azy. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Tsy manery na iza na iza izy, fa avelany hisafidy ny tsirairay hoe hankatò azy sa tsia. Tian’i Jehovah mantsy raha ‘mankatò amin’ny fo’ isika. (Romanina 6:17) Inona no dikan’izany? Tiany raha mankatò azy ianao satria tia azy, fa tsy hoe terena. Asehonao hoe tia an’i Jehovah ianao raha ataonao izay zavatra tiany ary halavirinao izay tsy tiany. Hanampy anao amin’izany ny Fizarana faha-3 sy faha-4 amin’ity boky ity.

2. Maninona no sarotra indraindray ny mampiseho hoe tia an’i Jehovah?

“Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina.” (Salamo 34:19) Samy tsy lavorary daholo isika. Misy koa sahirana ara-bola, iharan’ny tsy rariny, na miatrika olana hafa. Sarotra ny manao an’izay asain’i Jehovah ataontsika rehefa hoatr’izany. Mety ho mora kokoa mantsy amin’izay ny hoe tsy mankatò an’i Jehovah. Raha manao an’izay asain’i Jehovah ataonao anefa ianao, dia ho hita hoe izy no tena tianao. Asehonao amin’izany koa hoe tsy mivadika aminy ianao. Tsy hivadika aminao koa àry izy, sady tsy hanary anao mihitsy.​—Vakio ny Salamo 4:3.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika ireto: Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny hoe mankatò azy ianao? Inona no hanampy anao tsy hivadika aminy mihitsy?

3. Nanendrikendrika anao i Satana

Resahina ao amin’ny bokin’i Joba hoe tsy i Joba ihany no nendrikendrehin’i Satana fa ny olona rehetra te hanompo an’i Jehovah koa. Vakio ny Joba 1:9-12; 2:4, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Araka ny tenin’i Satana, nahoana i Joba no nankatò an’i Jehovah?​—Jereo ny Joba 1:9-11.

  • Nendrikendrehin’i Satana ny olona rehetra, anisan’izany ianao. Inona no nolazainy?​—Jereo ny Joba 2:4.

Vakio ny Joba 27:5b, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no nampisehoan’i Joba hoe tena tia an’i Jehovah izy?

Nasehon’i Joba hoe tiany i Jehovah ka tsy nivadika taminy mihitsy izy

Asehontsika hoe tiantsika i Jehovah rehefa tsy mivadika aminy mihitsy isika

4. Ampifalio ny fon’i Jehovah

Vakio ny Ohabolana 27:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hendry sy mankatò azy ianao? Nahoana?

5. Ho vitanao ny tsy hivadika amin’i Jehovah

Rehefa tia an’i Jehovah isika, dia lasa te hiresaka momba azy amin’ny hafa. Tsy mivadika aminy isika ka miresaka momba azy foana, na dia tsy mora aza izany indraindray. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Sarotra aminao ve indraindray ny miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah?

  • Inona no nanampy an’i Eric tsy hatahotra?

Mora kokoa ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah rehefa tiantsika ny zavatra tiany ary halantsika izay halany. Vakio ny Romanina 12:9, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Raha ny nianaranao hatramin’izay, inona ny zavatra sasany tian’i Jehovah? Ary inona no halany?

  • Inona no hanampy anao ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy?

6. Mahasoa antsika ny mankatò an’i Jehovah

Ny mankatò an’i Jehovah foana no tsara indrindra. Vakio ny Isaia 48:17, 18, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Mino ve ianao hoe fantatr’i Jehovah foana izay tena mahasoa antsika? Nahoana?

  • Inona no soa noraisinao rehefa nianatra momba an’i Jehovah sy ny zavatra hafa ao amin’ny Baiboly ianao?

MISY MITENY HOE: “Tsy ho vitantsika mihitsy izany hampifaly an’Andriamanitra izany.”

  • Inona ny andinin-teny azonao ampiasaina mba hampisehoana fa afaka mampifaly an’Andriamanitra isika?

FAMINTINANA

Hita hoe tia an’i Jehovah ianao rehefa mankatò azy sy tsy mivadika aminy, na dia tsy mora aza izany indraindray.

Famerenana

  • Inona no nianaranao avy amin’ny ohatr’i Joba?

  • Ahoana no ampisehoanao hoe tia an’i Jehovah ianao?

  • Inona no hanampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ahoana no ampisehoanao hoe tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fiangonana ianao?

“Ny Olona Tsy Mivadika no Tsy Hivadihanao” (16:49)

Hazavaina bebe kokoa ato ilay fanendrikendrehan’i Satana.

“Tsy Nivadika Mihitsy i Joba” (Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?, fizarana 6)

Inona no hanampy ny tanora tsy hivadika amin’i Jehovah na dia mitarika azy haditra aza ny tanora hafa?

Eh! Aza Maditra Hoatr’ireny! (4:00)