LESONA 36

Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra

Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra

Tiantsika raha hoe olona manao ny marina no namantsika. Tian’i Jehovah koa raha manao ny marina ny namany. Tsy mora anefa izany satria be dia be ny olona tsy manao ny marina. Inona no soa horaisintsika raha manao ny marina amin’ny zava-drehetra isika?

1. Inona no tena mahatonga antsika hanao ny marina?

Hita hoe tia an’i Jehovah sy manaja azy isika rehefa manao ny marina. Fantatr’i Jehovah daholo ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika. (Hebreo 4:13) Hitany isika rehefa manao ny marina, ary tena faly izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Halan’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.”​—Ohabolana 3:32.

2. Ahoana no ampisehoantsika hoe manao ny marina isika?

Tian’i Jehovah ‘hilaza ny marina amin’ny namantsika’ isika. (Zakaria 8:16, 17) Midika izany hoe tsy mandainga isika na manome fanazavana diso rehefa miresaka amin’ny fianakaviantsika, mpiara-miasa, manam-pahefana, na rahalahy sy anabavy. Tsy mangalatra na mamitaka ny olona manao ny marina. (Vakio ny Levitikosy 19:11 sy ny Efesianina 4:28.) Aloany daholo koa ny hetra tokony haloany. (Romanina 13:5-7) Anisan’ny fomba ampisehoantsika ireo hoe ‘manao ny marina amin’ny zava-drehetra’ isika.​—Hebreo 13:18.

3. Inona no soa horaisintsika raha manao ny marina isika?

Raha zatra manao ny marina isika, dia hatokisan’ny olona sady hilamina ny eritreritsika. Hahafinaritra koa ny ao amin’ny fiangonana, satria hifampatoky hoatran’ny fianakaviana iray ny olona rehetra. Rehefa manao ny marina koa isika, dia “mandravaka ny fampianaran’​Andriamanitra Mpamonjy antsika”, sady mandrisika ny hafa hanaraka ny fivavahana marina.​—Titosy 2:10.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika ireto: Inona no tsapan’i Jehovah rehefa manao ny marina ianao? Inona no soa horaisinao? Ary ahoana no ampisehoanao hoe manao ny marina foana ianao amin’izay ataonao?

4. Faly i Jehovah rehefa manao ny marina isika

Vakio ny Salamo 44:21 sy ny Malakia 3:16, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe afaka manafina ny marina?

  • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah raha milaza ny marina isika, na dia rehefa sarotra aza izany?

Faly ny ray aman-dreny rehefa milaza ny marina ny zanany. Faly koa i Jehovah rehefa milaza ny marina isika

5. Manaova ny marina foana

Betsaka no mieritreritra hoe tsy misy mahavita manao ny marina izany foana. Nahoana anefa isika no tokony hanao ny marina foana? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Hebreo 13:18, ary iaraho midinika avy eo hoe: Ahoana no ampisehoantsika hoe manao ny marina isika...

  • rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika?

  • any am-piasana na any am-pianarana?

  • amin’ny zavatra hafa?

6. Mahasoa ny manao ny marina

Mety hahita olana ihany isika indraindray rehefa manao ny marina. Tsy misy tsara hoatran’ny hoe manao ny marina anefa. Vakio ny Salamo 34:12-16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no mahasambatra ny manao ny marina?

  1. A. Vao mainka mifankatia ny mpivady rehefa samy milaza ny marina

  2. B. Atokisan’ny mpampiasa azy ny mpiasa manao ny marina

  3. D. Atokisan’ny manam-pahefana ny olom-pirenena manao ny marina

MISY MITENY HOE: “Tsy maninona ange raha lainga kely ilay izy e!”

  • Nahoana ianao no mino hoe halan’i Jehovah ny lainga rehetra?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah raha manao ny marina sy milaza ny marina ny namany.

Famerenana

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe manao ny marina isika?

  • Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe afaka manafina ny marina?

  • Nahoana ianao no tapa-kevitra hanao ny marina foana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hanao ny marina?

Milazà ny Marina (1:44)

Inona no soa ho azonao raha mitana ny teninao ianao?

Hazòny ny Teninao, dia Hotahina Ianao (9:09)