LESONA 39

Ahoana no Fiheveran’​Andriamanitra ny Ra?

Ahoana no Fiheveran’​Andriamanitra ny Ra?

Tena ilaina ny ra satria maty isika raha tsy misy azy. I Jehovah no Mpamorona, ka izy ihany no afaka miteny hoe ahoana no tokony hampiasana ny ra. Inona àry no nolazainy momba ny ra? Azo hanina na ampidirina amin’ny vatana ve izy io? Ary inona no hanampy anao hahay hanapa-kevitra amin’ny resaka ra?

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny ra?

Niteny tamin’ny mpanompony taloha i Jehovah hoe: “Ny ain’ny karaza-nofo rehetra ... dia ny rany.” (Levitikosy 17:14) Amin’i Jehovah dia aina ny ra. Fanomezana avy aminy ny aina sady masina, ka masina koa ny ra.

2. Tsy avelan’Andriamanitra hatao ahoana ny ra?

Taoriana kelin’ny Safodrano, dia nandidy ny mpanompony i Jehovah mba tsy hihinana ra. Nomeny an’izany lalàna izany koa ny Israelita. (Vakio ny Genesisy 9:4 sy ny Levitikosy 17:10.) Mbola naverin’i Jehovah ihany io didy io tatỳ aoriana. Nasain’ny filan-kevi-pitantanana ‘nifady ny ra’ mantsy ny Kristianina.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Ahoana ilay hoe mifady ny ra? Raha asain’ny dokotera mifady toaka, ohatra, ianao, dia azo antoka hoe tsy hisotro mihitsy. Mbola hihinana sakafo misy toaka ihany ve anefa ianao, na hampiditra an’ilay izy amin’ny lalan-dranao? Mazava ho azy fa tsia. Rehefa miteny àry Andriamanitra hoe fadio ny ra, dia midika izany fa tsy tokony hihinana ra na hena tsy nalatsa-dra isika. Tsy mety koa ny mihinana sakafo nasiana ra.

Ahoana indray rehefa ampiasaina amin’ny fitsaboana ny ra? Misy fitsaboana tonga dia hita hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. Anisan’izany ny fampidirana ra manontolo na ireto taharo fototry ny ra ireto: Liomena, liofotsy, plakety, ary plasma. Ny fitsaboana sasany indray tsy tonga dia mazava raha mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra na tsia. Misy karazana fitsaboana, ohatra, ampiasana zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra. Misy fotoana koa ny ran’ilay olona marary ihany no ampiasaina. Anjarantsika tsirairay, amin’izay, ny manapa-kevitra. a​—Galatianina 6:5.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no hanampy anao hifidy ny fitsaboana harahinao.

3. Izay mampifaly an’i Jehovah atao rehefa mifidy fitsaboana

Tokony hifanaraka amin’ny hevitr’i Jehovah momba ny ra ny fitsaboana fidintsika. Inona no hanampy antsika amin’izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika hoe nahoana no zava-dehibe ireo dingana eo ambany ireo.

  • Mivavaha mba hahazo fahendrena.​—Jakoba 1:5.

  • Tadiavo ny toro lalan’ny Baiboly ary jereo ny fomba hampiharana azy.​—Ohabolana 13:16.

  • Fantaro hoe inona avy ny fitsaboana misy.

  • Jereo hoe iza amin’ilay fitsaboana no tonga dia tsy ekenao.

  • Ataovy azo antoka hoe hampilamina ny eritreritrao ny fanapahan-kevitra horaisinao.​—Asan’ny Apostoly 24:16. b

  • Tadidio hoe ianao ihany no tokony hanapa-kevitra, fa tsy ny vadinao, na ny anti-panahy, na ny mpampianatra Baiboly anao, na olon-kafa. Miankina amin’ny feon’ny fieritreretanao mantsy ilay izy.​—Romanina 14:12.

  • Soraty ny fanapahan-kevitrao.

4. Mitady ny fitsaboana tsara indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah

Azo atao tsara ny hoe sady manaraka ny lalàn’i Jehovah momba ny ra no mahazo ny fitsaboana tsara indrindra. Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Titosy 3:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy sy hanaja ny dokotera rehefa miresaka amin’izy ireo?

Tsy eken’ny Kristianina

Safidin’ny tsirairay

A. Plasma

Zavatra avy amin’ny plasma

B. Liofotsy

Zavatra avy amin’ny liofotsy

D. Plakety

Zavatra avy amin’ny plakety

E. Liomena

Zavatra avy amin’ny liomena

 5. Ireo zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra

Ireto efatra ireto ny taharo fototry ny ra: Liomena, liofotsy, plakety, ary plasma. Ao anatin’ireo indray misy zavatra kely be dia be, dia ireny ilay hoe zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra. c Ampiasaina izy ireny mba hitsaboana aretina sasany na hampijanonana ra very.

Ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra izy na tsia. Mila mampiasa ny feon’ny fieritreretany izy. Mety tsy hanaiky fitsaboana ampiasana zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra ny Kristianina sasany. Ny hafa indray mety hanaiky fitsaboana hoatr’izany.

Rehefa hanapa-kevitra ianao, dia eritrereto izao:

  • Fa maninona aho no manaiky na tsy manaiky zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra? Ahoana no hanazavako an’izany amin’ny dokotera?

METY HISY HANONTANY HOE: “Fa inona moa no maha ratsy an’ilay hoe ampidiran-dra e?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah hihevitra ny ra ho masina isika.

Famerenana

  • Nahoana no masina amin’i Jehovah ny ra?

  • Nandidy antsika i Jehovah mba hifady ny ra. Ahoana no ahalalantsika hoe tafiditra amin’izany koa ny fampidiran-dra?

  • Inona no hanampy anao hahay hifidy ny fitsaboana harahinao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona avy no tokony hodinihinao rehefa hanapa-kevitra ianao hoe hanaraka fitsaboana ampiasana ny ranao sa tsia?

“Fanontanian’ny Mpamaky” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2000)

a Jereo ny Lesona 35 hoe “Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?”

b Jereo ilay  hevitra faha-5 hoe “Ireo Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra”, sy ilay Fanamarihana 3 hoe “Fitsaboana Ampiasana Ra.”

c Misy dokotera mieritreritra hoe ampahany kely amin’ny ra fotsiny ireo taharo fototry ny ra. Mila hazavainao amin’ny dokoteranao àry hoe tsy manaiky hampidirana an’ireto ianao: Ra manontolo, liomena, liofotsy, plakety, ary plasma.