LESONA 40

Miezaha mba Hadio eo Anatrehan’Andriamanitra

Miezaha mba Hadio eo Anatrehan’Andriamanitra

Eritrereto hoe misy renim-pianakaviana iray manomana ny zanany lahikely handeha hianatra. Nampandroiny ilay zaza ary nampanaoviny akanjo madio sy milamina. Ho salama tsara izy amin’izay, sady ho hita hoe voakarakaran’ny dadany sy ny mamany. Tian’i Jehovah Raintsika hadio koa isika. Tokony hadio ny vatantsika sy ny fananantsika ary ny fitondran-tenantsika. Handray soa isika amin’izay, sady hanome voninahitra an’i Jehovah.

1. Ahoana no ampisehoantsika hoe olona madio isika?

Milaza amintsika i Jehovah hoe: “Tsy maintsy masina ianareo.” (1 Petera 1:16) Masina isika raha madio ny vatantsika sy ny fananantsika ary ny fitondran-tenantsika. Mila mandro matetika àry isika, ary tokony hadio sy hilamina ny akanjontsika sy ny tranontsika. Eo koa ny fiarantsika, môtô, na bisikileta. Afaka mandray anjara amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana koa isika. Manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa zatra madio.​—2 Korintianina 6:3, 4.

2. Inona ny fahazaran-dratsy mila halavirina raha te hadio?

Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana sy ny saina.” (2 Korintianina 7:1) Halavirintsika àry izay zavatra mety hanimba ny vatantsika na handoto ny saintsika. Tokony ho zavatra mampifaly an’i Jehovah no mameno ny saintsika, ka miezaka mafy isika mba tsy hieritreri-dratsy. (Salamo 104:34) Tokony hadio koa ny zavatra resahintsika sy ny fomba fitenintsika.​—Vakio ny Kolosianina 3:8.

Inona koa no mety hahatonga antsika tsy hadio? Mety hanimba ny vatantsika ny zavatra sasany. Halavirintsika àry ny fahazaran-dratsy toy ny hoe mifoka sigara, mihinam-paraky, ary mampiasa fanafody na zava-mahadomelina mba hahazoana fahafinaretana. Salama kokoa isika rehefa tsy manao an’ireo, sady mampiseho hoe sarobidy amintsika ny aina. Tsy tokony hijery sary vetaveta koa isika na hikasikasika filahiana na fivaviana, satria fanao maloto ireo. (Salamo 119:37; Efesianina 5:5) Mety ho sarotra ny miala amin’ireo fahazaran-dratsy ireo, nefa afaka manampy i Jehovah.​—Vakio ny Isaia 41:13.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa madio, ary inona no azontsika atao mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy.

3. Manome voninahitra an’i Jehovah ny olona madio

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fahadiovana? Manampy antsika hahita an’izany ny lalàna nomeny ho an’ny Israelita. Vakio ny Eksodosy 19:10 sy ny 30:17-19, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fahadiovana, raha jerena ireo andinin-teny ireo?

  • Inona avy ny fahazarana tokony hananantsika, amin’izay isika madio foana?

Mila fotoana sy ezaka ilay hoe zatra madio. Samy afaka manao an’izany daholo anefa isika, na aiza na aiza toerana ipetrahantsika ary na manankarena isika na mahantra. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no hanaja kokoa an’i Jehovah ny olona itoriantsika, rehefa hitany hoe madio sy milamina ny fananantsika?

4. Ialao ny fahazaran-dratsy

Afaka manampy antsika hiala amin’izay fahazaran-dratsy ananantsika i Jehovah

Raha mifoka sigara ianao na mampiasa zava-mahadomelina, dia azo inoana fa fantatrao hoe sarotra ny miala amin’ireo fahazarana ireo. Inona àry no hanampy anao? Eritrereto ny voka-dratsin’ilay izy. Vakio ny Matio 22:37-39, ary iaraho midinika hoe: Raha mifoka sigara na mampiasa zava-mahadomelina ny olona iray, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny...

  • fifandraisany amin’i Jehovah?

  • fianakaviany sy ny olona mifanerasera aminy?

Eritrereto hoe ahoana no handresenao an’ilay fahazaran-dratsy. a Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Filipianina 4:13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no hahavita hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny olona iray, raha zatra mivavaka sy mianatra Baiboly ary manatrika fivoriana?

5. Aza mieritreri-dratsy na manao fanao maloto

Vakio ny Kolosianina 3:5, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Amin’i Jehovah dia fanao maloto ny hoe mijery sary vetaveta, mandefa hafatra vetaveta, na mikasikasika filahiana na fivaviana. Ahoana no ahalalantsika an’izany?

  • Milaza i Jehovah hoe tokony hadio ny fitondran-tenantsika. Vitantsika ve izany, araka ny hevitrao? Nahoana?

Inona no hanampy antsika tsy hieritreri-dratsy? Alefaso ilay VIDEO.

Nanao fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe mila manao zavatra hentitra isika raha te hadio fitondran-tena foana. Vakio ny Matio 5:29, 30, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hesorintsika ny rantsambatantsika, fa hoe mila manao zavatra isika. Inona, ohatra, no tokony hataon’ny olona iray raha tsy te hieritreri-dratsy izy? b

Miezaka mafy ve ianao mba tsy hieritreri-dratsy? Zava-dehibe amin’i Jehovah ny ezaka ataonao. Vakio ny Salamo 103:13, 14, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana io andinin-teny io no manampy anao tsy ho kivy, raha miady mafy ianao mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy?

Mbola afaka miarina foana ianao!

Mety ho mora ny miteny hoe: ‘Aleoko tsy miezaka intsony, fa efa resy aho.’ Tadidio anefa izao: Rehefa mianjera ny mpihazakazaka iray, dia tsy midika akory izany hoe resy izy na hoe tsy maintsy miverina hatrany amin’ny voalohany indray. Ahoana àry raha efa niezaka niala tamin’ny fahazaran-dratsy iray ianao, nefa niverina tamin’ilay izy indray? Tsy hoe resy akory ianao na hoe tsy misy dikany izay ezaka efa nataonao. Tsy maintsy lavo kely indraindray, izay vao tena tafarina. Aza kivy satria hanampy anao i Jehovah, dia ho vitanao ny handresy an’ilay fahazaran-dratsy.

MISY MITENY HOE: “Efa andevozin’ilay izy aho, dia tsy tafala intsony.”

  • Inona ny andinin-teny azonao ampiasaina mba hampisehoana amin’ilay olona hoe afaka miala amin’ny fahazaran-dratsy izy rehefa ampian’i Jehovah?

FAMINTINANA

Mampifaly an’i Jehovah isika rehefa madio foana ny vatantsika sy ny saintsika ary ny fitondran-tenantsika.

Famerenana

  • Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe madio?

  • Ahoana no ampisehoanao hoe olona madio ianao?

  • Inona no azonao atao mba hadio ny zavatra eritreretinao sy ny fitondran-tenanao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona ny zavatra tsotra azonao atao mba hadio foana ianao na dia tsy manam-bola be aza?

Miezaha mba Hadio sy ho Salama: Sasao Matetika ny Tananao (3:01)

a Ahoana no atao raha te hiala amin’ny sigara? Vakio ilay hoe “Ahoana no Hialako Amin’ny Sigara?”, eo amin’ilay fizarana hoe Jereo koa Ireto.

b Inona no afaka manampy ny olona iray raha lasa zatra mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany izy? Jereo ilay hoe “Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?”, ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany, toko 25.