Afaka ny ho sambatra mandrakizay ve isika?

Afaka ny ho sambatra mandrakizay ve isika?

Ahoana no havalinao?

  •   Eny

  • Tsia

  • Angamba

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​SALAMO 37:29.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Ho sambatra sy hiadana ianao sy ny fianakavianao ary ny namanao.​JEREMIA 29:11.

Tsy vetivety fotsiny ianao no hankafy ny fiainana, fa mandrakizay mihitsy.​SALAMO 22:26.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Miresaka porofo manamarina an’izany ny lesona telo ato amin’ity bokikely ity. Ireto ny lohateniny: