Ahoana no handraisanao soa avy amin’ireo lesona ato?

Ahoana no handraisanao soa avy amin’ireo lesona ato?

Mitadiava olona hampianatra anao: Teneno ilay olona nanome anao an’ity bokikely ity mba hampianatra Baiboly anao, na mandefasa fangatahana ao amin’ny tranonkalanay jw.org.

TAPANY VOALOHANY

Vakio ny fehintsoratra tsirairay, anisan’izany ny fanontaniana sora-matevina (A) sy ny andinin-teny (B) manamafy ny hevi-dehibe. Misy soratra hoe “vakio” ny andinin-teny sasany.

TAPANY FAHAROA

Manazava an’ireo hevitra hodinihina ny fehezanteny (D) eo ambanin’ilay hoe Andao Hohalalinintsika. Ireo lohatenikely (E) no mampiditra ny hevi-dehibe. Vakio ny andinin-teny, valio ny fanontaniana, ary jereo ny video (F).

Diniho ny sary sy ny fanazavana miaraka aminy (G), ary eritrereto ny fomba hamalianao an’ilay hoe Misy Miteny Hoe (H).

TAPANY FARANY

Famintinana sy Famerenana (I) no mamarana ny lesona tsirairay. Soraty ny daty nahavitana an’ilay lesona. Zavatra asaina ataonao no eo amin’ilay hoe Tanjona (J). Misy fanazavana fanampiny azonao vakina na jerena eo amin’ilay hoe Jereo koa Ireto (K).

Ahoana no fijerena andinin-teny ao amin’ny Baiboly?

Ireto avy no hita amin’ny andinin-teny tsirairay: Ny anaran’ilay boky (A), ny toko (B), ary ny andininy (D). Ny tiana holazaina amin’ny hoe Jaona 17:3, ohatra, dia ny bokin’i Jaona, toko faha-17, andininy faha-3.