Famintinana avy ao Amin’ny Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

Ho hitanao ato ireo andinin-teny mamaly ny fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana.

1. Iza Marina Andriamanitra?

Lazain’ny Baiboly amintsika hoe iza Andriamanitra ary ahoana no fiheverany antsika.

2. Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Inona no mampiavaka an’io boky tranainy io?

3. Inona no Tian’Andriamanitra Hatao ho An’ny Olombelona?

Hazavain’ny Baiboly ny antony mahasarotra ny fiainana sy izay hampilamina azy indray.

4. Iza i Jesosy Kristy?

Tsy hoe olona malaza teo amin’ny tantara fotsiny akory i Jesosy.

5. Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

Handray soa mandrakizay isika noho ilay fanehoam-pitiavana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra.

6. Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?

Tsy voafehifehin’ny fampianaran-diso milaza lainga momba an’Andriamanitra isika rehefa mahalala an’izay lazain’ny Baiboly momba ny maty.

7. Tena Hatsangana ny Maty!

Tsy misy antenaina intsony ve ny amin’ny olona maty?

8. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Olona an-tapitrisany no mivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa inona io Fanjakana io?

9. Efa Tena Akaiky ny Farany

Tanteraka amin’izao androntsika izao ny faminanian’ny Baiboly!

10. Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy

Misy anjely te hanampy antsika, fa misy koa anefa te hampijaly antsika.

11. Nahoana Isika no Mijaly?

Nahoana no tsy faranan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny fijaliana?

12. Afaka ny ho Naman’Andriamanitra Ianao

Manasa antsika ho namany Andriamanitra.

13. Hajao ny Aina

Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fiheverantsika ny aina sy ny ra.

14. Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao

Ilaina daholo ny mpianakavy tsirairay.

15. Iza no Tena Mpivavaka?

Mampifandray anao amin’ilay tena Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

16. Manompoa An’Andriamanitra

Misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny safidy ataontsika.

17. Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka

Ampianarin’ny Baiboly hoe zava-dehibe ny mivavaka. Atorony koa ny fomba tokony hivavahana amin’Andriamanitra.

18. Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho?

Inona no tokony hataonao alohan’ny batisa?

19. Ataovy Namanao Foana i Jehovah

Manampy antsika mba tsy hivadika aminy Andriamanitra.