12. Afaka ny ho Naman’Andriamanitra Ianao

12. Afaka ny ho Naman’Andriamanitra Ianao

1 MANKATÒ AN’I JEHOVAH NY NAMANY

“Ankatoavy ny teniko, dia ho Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho oloko.”—Jeremia 7:23

Afaka ny ho naman’i Jehovah ve ianao?

2 NAMAN’I JEHOVAH I JOBA ARY TSY NIVADIKA TAMINY

“Tsy nanota i Joba tamin’izany rehetra izany, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy.”—Joba 1:22

Inona no nataon’i Satana tamin’i Joba, ary ahoana no nataon’i Joba?

  • Joba 1:10, 11

    Nolazain’i Satana hoe tia tena i Joba fa tsy tia an’i Jehovah.

  • Joba 1:12-19; 2:7

    Navelan’i Jehovah halain’i Satana daholo ny fananan’i Joba. Nataon’i Satana narary mafy mihitsy aza i Joba.

  • Joba 27:5

    Tsy hain’i Joba hoe nahoana izy no nijaly, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy.

3 TIAN’I SATANA HIALA AMIN’I JEHOVAH IANAO

“Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.”—Joba 2:4

Inona no ataon’i Satana mba hampiala antsika amin’i Jehovah?

  • 2 Korintianina 11:14

    Mamitaka antsika i Satana mba tsy hankatò an’i Jehovah isika.

  • Ohabolana 24:10

    Ataony izay hieritreretantsika hoe tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah isika.

  • 1 Petera 5:8

    Manohitra antsika i Satana.

  • Ohabolana 27:11

    Ankatoavy i Jehovah, ary aza mivadika aminy mihitsy, dia ho voaporofo hoe mpandainga i Satana.

4 MANKATÒ AN’I JEHOVAH ISIKA SATRIA TIA AZY

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3

Ahoana no hatao raha te ho naman’i Jehovah?