13. Hajao ny Aina

13. Hajao ny Aina

1 HAJAO NY AINA

“Ianao no loharanon’aina.”—Salamo 36:9

Inona no hataontsika raha manaja ny aina isika?

2 NY AINA SY NY RA

“Ny ain’ny karaza-nofo rehetra dia ny rany, satria ao amin’ny ra ny aina.”—Levitikosy 17:14

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny aina sy ny ra?

3 INONA NO AZO NAMPIASANA NY RA?

“Ny ran’i Jesosy ... no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.”—1 Jaona 1:7

Inona no mety ho azontsika noho ny soron’i Jesosy?

  • Levitikosy 17:11

    Afaka nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah ny Israelita rehefa nanota. Nanao sorona biby izy ireo, ary nafafin’ny mpisorona teo amin’ny alitaran’ny tempoly ny ran’ilay izy.

  • Matio 20:28; Hebreo 9:11-14

    Nanao sorona ny ainy i Jesosy tetỳ an-tany mba ho voavela ny fahotantsika, ka tsy nilaina intsony ny manao sorona biby.

  • Jaona 3:16

    Sarobidy be mihitsy ny ain’i Jesosy ka lasa afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra i Jehovah.