16. Manompoa An’Andriamanitra

16. Manompoa An’Andriamanitra

1 MIALÀ AMIN’NY FIVAVAHAN-DISO

‘Mivoaha eo aminy ary misaraha aminy, aza mikasika intsony izay maloto.’—2 Korintianina 6:17

Nahoana no ratsy ny mampiasa sary masina sy mivavaka amin’ny razana?

2 MISY FETY TSY TIAN’ANDRIAMANITRA

“Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10

Ahoana no amantarana hoe mety sa tsia ny mankalaza fety iray?

3 MIEZAHA HO TSARA FANAHY REHEFA MANAZAVA

“Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.”—Kolosianina 4:6

Ahoana no hanazavanao ny zavatra inoanao?

  • Matio 7:12

    Hajao ny safidin’ny olona satria tianao raha mba manaja ny safidinao izy.

  • 2 Timoty 2:24

    Miezaha ho tsara fanahy foana ary aza mifamaly momba ny zavatra inoanao.

  • 1 Petera 3:15

    Miezaha halemy fanahy sy hanaja rehefa manazava ny zavatra inoanao.

  • Hebreo 10:24, 25

    Hampahery anao ny olona any am-pivoriana, ary hanampy anao hahay hamaly rehefa misy manontany momba ny zavatra inoanao.