18. Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho? HANDEFA 18. Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho? Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra 1 TOKONY HATAO BATISA VE AHO? “Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”—Asan’ny Apostoly 8:36 Nahoana ianao no tokony hatao batisa? Ahoana no tokony hanaovana batisa anao? Rehefa atao batisa ianao, dia ho fantatry ny olona hoe niala tamin’ny fiainanao taloha, ary lasa manao ny sitrapon’Andriamanitra. Matio 28:19, 20 Mila atao batisa ianao raha te hanompo an’i Jehovah. Salamo 40:8 Ny batisanao no ahafantaran’ny olona hoe te hanompo an’i Jehovah ianao. Matio 3:16 Tsy maintsy aroboka tanteraka ao anaty rano ianao, hoatran’ny natao tamin’i Jesosy. 2 TSY MITAKY ZAVATRA TSY VITANAO I JEHOVAH “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3 Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena? Salamo 103:14; Isaia 41:10 Tsy voatery ho lavorary ianao vao ho afaka hanokan-tena. Hampian’i Jehovah ianao mba hanao ny tsara foana. Kolosianina 1:10 Mety hatahotra ianao sao handiso fanantenana an’i Jehovah. Raha tena tia azy anefa ianao, dia tsy hatahotra loatra. 3 INONA AVY NO TOKONY HATAO ALOHAN’NY BATISA? “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” —Salamo 40:8 Inona no tokony hataonao raha te hanokan-tena ho an’i Jehovah ianao? Jaona 17:3 MIANATRA BAIBOLY Ianaro ny momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Ho tianao izy ireo arakaraka ny hanaovanao an’izany. Hebreo 11:6 MAMPITOMBO NY FINOANA Matokia fa ho tanteraka ny zavatra ampanantenain’i Jehovah, ary hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny soron’i Jesosy. Asan’ny Apostoly 3:19 MIBEBAKA Midika izany hoe tena manenina satria nanao ratsy. MIVERINA Midika izany hoe sady tsy manao ratsy intsony, no miezaka manao ny tsara amin’izay. 1 Petera 4:2 MANOKAN-TENA Manokan-tena ianao rehefa manao vavaka iray ka manao voady amin’i Jehovah hoe hanompo azy irery ihany sy hanao ny sitrapony foana. Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara 18. Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho? Famintinana 18: Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho? Tenin’ny Tanana Malagasy Famintinana 18: Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho? https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/e781f8601f/images/syn_placeholder_sqr.png