19. Ataovy Namanao Foana i Jehovah

19. Ataovy Namanao Foana i Jehovah

1 TIA ANAO I JEHOVAH

“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16

Ahoana no ahitana hoe tia anao i Jehovah?

  • Salamo 91:2

    Miaro anao i Jehovah. Afaka manampy anao hiatrika olana izy.

  • Salamo 37:29

    Nampanantena izy fa hovany ho tsara be ny fiainana.

  • 1 Timoty 6:12, 19

    Havelany hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa tsara tarehy isika, ka ho sambatra ary ho salama tsara.

2 TIAN’I JEHOVAH HO TIA AZY IANAO

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”—Matio 22:37

Lasa te hanao inona ianao rehefa mahatsapa hoe tian’i Jehovah?

3 TIAVO FOANA I JEHOVAH

“Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.”—Joda 21

Inona no azonao atao mba ho naman’i Jehovah foana?