2. Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

2. Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

1 AVY AMIN’ANDRIAMANITRA NY BAIBOLY

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” —2 Timoty 3:16

Nahoana no miavaka ny Baiboly?

Misy amin’ny fiteny 2 600 eo ho eo ny Baiboly, ary an’arivony tapitrisa no natao pirinty.

Milaza zavatra tsy hitantsika na aiza na aiza izy io.

2 MISY FAMINANIANA AO AMIN’NY BAIBOLY

‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’—Titosy 1:2

Nahoana ny Baiboly no azo antoka hoe marina?

  • Isaia 44:27–45:2

    Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe ahoana no haharesy an’i Babylona, dia tanteraka izany.

  • 2 Timoty 3:1-5

    Amin’izao no tanteraka ny faminanian’ny Baiboly.

  • Nomery 23:19

    Azo antoka fa ho tanteraka izay lazain’ny Baiboly hoe hitranga any aoriana any.

3 NATAO HANAMPIANA ANAO NY BAIBOLY

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17

Inona no nianaranao momba ny Baiboly?

  • Joba 26:7; Isaia 40:22

    Misy zavatra lazain’ny Baiboly tsy fantatry ny olona raha tsy ela be tatỳ aoriana.

  • Nomery 20:2-12

    Tsy nandainga ireo nanoratra ny Baiboly.

  • Matio 5-7

    Nanome torohevitra antsika i Jesosy hoe ahoana no atao rehefa hivavaka, inona no atao raha te ho sambatra na te hifandray tsara amin’ny olona, ary inona no atao mba tsy ho tia vola loatra.

4 AFAKA MANOVA ANAO NY BAIBOLY

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” —Hebreo 4:12

Inona no ho fantatrao rehefa mianatra Baiboly?

  • Hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra ianao.

  • Ho fantatrao tsara ny tenanao.

  • Ho hainao hoe inona no tian’Andriamanitra hataonao.

Tian’Andriamanitra hamaky sy hianatra ary ho tia ny Baiboly ianao.