3. Inona no Tian’Andriamanitra Hatao ho An’ny Olombelona?

3. Inona no Tian’Andriamanitra Hatao ho An’ny Olombelona?

1 MISY ANTONY MATOA ISIKA NOFORONIN’ANDRIAMANITRA

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29

Inona no tian’i Jehovah hatao rehefa namorona ny olona?

  • Genesisy 1:28

    Tiany hiteraka ny olona ka hanova ny tany ho paradisa sy hikarakara ny biby.

  • Isaia 46:9-11; 55:11

    Tsy maintsy tanterahin’Andriamanitra ny fikasany ary tsy hisy hahasakana azy.

2 NAHOANA NO MIHARATSY NY FIAINANA?

‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19

Iza no mitondra an’izao tontolo izao?

3 MILA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ISIKA

“Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao!”—Matio 6:10

Inona no hataon’i Jehovah?

  • Daniela 2:44

    Ny Fanjakan’Andriamanitra irery no hitondra ny tany.

  • Apokalypsy 16:14-16

    Horavan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ity amin’ny Hara-magedona.

  • Isaia 9:6, 7

    Nifidy an’i Jesosy ho Mpanjakan’ilay Fanjakany i Jehovah. Hanjaka eran-tany izy.

4 HANOVA NY TANY HO PARADISA ILAY FANJAKANA

‘Manokatra ny tananao ianao, ka afa-po ny zavamananaina rehetra.’—Salamo 145:16

Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?