6. Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?

6. Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?

1 TSY MISY INTSONY NY OLONA REHEFA MATY

‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’—Mpitoriteny 9:5

Manao ahoana isika rehefa maty?

2 TSY TIAN’I JEHOVAH HO FATY MIHITSY NY OLONA

‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’—Genesisy 2:17

Nahoana isika no maty?

  • Genesisy 3:1-6

    Nandainga i Satana hoe tsy ho faty i Adama sy Eva raha tsy mankatò an’i Jehovah. Maty anefa izy mivady rehefa nanota, izany hoe tsy nankatò.

  • Genesisy 3:19

    Tsy nisy intsony i Adama rehefa maty.

  • Romanina 5:12

    Hoatran’ny hoe aretina ratsy be nafindran’i Adama sy Eva tamintsika ny ota. Vao teraka isika dia efa mpanota ka tsy maintsy ho faty.

  • 1 Korintianina 15:26

    Milaza ny Baiboly fa fahavalo ny fahafatesana.

3 SAMBATRA ISIKA MAHALALA NY MARINA MOMBA NY MATY

‘Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? Hiandry aho mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.’—Joba 14:14

Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala ny marina momba ny maty?

  • 1 Jaona 4:8

    Tsy handoro olona any amin’ny afobe mihitsy i Jehovah. Manala baraka azy izay miteny an’izany.

  • Apokalypsy 4:11

    Be dia be no matahotra ny maty, ka ny maty indray no hajainy sy ivavahany fa tsy i Jehovah. I Jehovah ihany anefa no tokony hivavahana satria izy no tena Andriamanitra.