8. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

8. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

1 TENA MISY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

“Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Matio 6:9-13

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Apokalypsy 11:15

    Fanjakana any an-danitra izy io ary hanjaka amin’ny tany.

  • 1 Timoty 6:15

    I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

  • Apokalypsy 14:1, 4

    Hisy olona 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra.

  • Hebreo 4:15; 5:8

    Fantatr’i Jesosy sy ireo 144 000 ny zavatra tsapantsika sy ny olana mahazo antsika.

2 I JESOSY NO MPANJAKA TSARA INDRINDRA

“Araka ny rariny no hitsarany ny mahantra.” —Isaia 11:4

Nahoana no tena mety raha i Jesosy no Mpanjaka?

  • 1 Timoty 6:16

    Ny mpitondra olombelona rehetra mbola maty ihany fa i Jesosy tsy ho faty mihitsy. Haharitra mandrakizay ny zavatra hataony ho antsika.

  • Isaia 11:2-4

    Mahavita zavatra betsaka sy tsara lavitra noho izay vitan’ny mpitondra olombelona izy, sady mahery lavitra noho izy rehetra mitambatra. Manao ny rariny sy mangoraka izy.

3 HANATANTERAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA ILAY FANJAKANA

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra.”—Daniela 2:44

Inona no efa nataon’ilay Fanjakana? Inona no mbola hataony?

  • Apokalypsy 12:7-12

    Nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra sy nanipy azy tetỳ an-tany i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka, tamin’ny 1914. Izany no mampikorontana ny fiainana sy mampijaly ny olona eto an-tany.

  • Mpitoriteny 8:9; Apokalypsy 16:16

    Horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny fitondran’olombelona amin’ny Hara-magedona, satria tsy manao ny marina sady mampijaly olona.

  • Salamo 37:10

    Horinganina izay zatra manao ratsy.

  • Apokalypsy 22:1-3

    Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah daholo ny olona, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy olona harary sy ho faty intsony koa.