Ataovy vokatry ny fo ny teninao. Eritrereto hoe nahoana no mila mihaino an’izay lazainao ny olona. Izay no ifantohy, dia hangoraka azy ianao, ka ho tsapany hoe vokatry ny fo ny teninao. Ho hitany amin’ny fihetsikao sy ny endrikao izany.
Jereo ny olona iresahanao. Jereo eo amin’ny masony izy raha tsy manafintohina izany any aminareo. Rehefa mandaha-teny ianao, dia aza jerena maimaika fotsiny ny mpanatrika, fa mijere kely any amin’ny olona iray, dia avy eo mijere any amin’olon-kafa indray.