AHOANA IZANY? Mampisehoa video na sary, mba ho mora tadidy ny zavatra ampianarinao sady hazava kokoa.
INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?
Fidio tsara ilay izy. Afaka mampiasa video ianao rehefa manompo. Ary ahoana rehefa manao lahateny? Afaka mampiasa sary na sarintany ianao. Aza mampiasa an’ireo amin-javatra madinidinika anefa, fa rehefa hanasongadina hevi-dehibe ihany. Tsy ilay sary na ilay video ihany no tokony ho tadidin’ny olona, fa ilay lesona tianao hampianarina koa.
Ataovy hita tsara ilay izy. Raha mampiseho sary avy eny amin’ny lampihazo, ohatra, ianao, dia ataovy ngeza tsara ilay izy mba ho hitan’ny rehetra.