Fizarana 12

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?

Ny fitiavana no mahasambatra ny mpianakavy. Efesianina 5:33

Lehilahy iray sy vehivavy iray no nataon’Andriamanitra ho mpivady.

Tsara fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy be fitiavana, ary mahatsapa ny mahazo azy.

Tokony hanampy ny vadiny ny vehivavy.

Tokony hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy.

Miezaha ho tsara fanahy sy tsy hivadika, fa tsy hasiaka sy ho mora mivadika. Kolosianina 3:5, 8-10

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy, ary tokony hanaja lalina ny vadiny ny vehivavy.

Tsy mety ny manao firaisana amin’ny olona tsy vadinao. Tsy mety koa ny manana vady maro.

Ny Tenin’i Jehovah no manoro hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana.