Fizarana 1

Ahoana no Ihainoantsika An’Andriamanitra?

Ahoana no Ihainoantsika An’Andriamanitra?

Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly Andriamanitra. 2 Timoty 3:16

Nisy lehilahy maromaro nasain’Andriamanitra nanoratra ny heviny. Natao tao amin’ny boky masina iray izany, dia ny Baiboly. Misy fanazavana lehibe tian’Andriamanitra ho fantatrao ao.

Fantatr’Andriamanitra izay tena mahasoa antsika, ary avy aminy ny fahendrena rehetra. Ho tena hendry ianao raha mihaino azy. —Ohabolana 1:5.

Tian’Andriamanitra hamaky Baiboly ny olona rehetra eran-tany. Efa misy amin’ny fiteny maro izy io.

Tsy maintsy mamaky sy mahazo izay lazain’ny Baiboly ianao, raha te hihaino an’Andriamanitra.

Mihaino azy ny olona maneran-tany. Matio 28:19

Afaka manampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ampianarin’izy ireo eran-tany ny marina momba an’Andriamanitra.

Tsy andoavam-bola io fianarana io. Afaka mianatra momba an’Andriamanitra koa ianao any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.