Eritrereto ny fitahiana ho azonao, raha mihaino an’i Jehovah ianao. Ho salama tsara ianao, satria tsy hisy intsony ny aretina sy ny kilema. Ho azo itokisana ny olona rehetra, satria tsy hisy intsony ny olon-dratsy.
Tsy hisy fanaintainana na alahelo na ranomaso, ary tsy hisy olona hihantitra na ho faty.
Namanao sy havanao daholo ny manodidina anao. Hahafinaritra ny fiainana ao amin’ny Paradisa.
Tsy hisy ny tahotra. Tena ho sambatra ny olona.
Hamarana ny fahoriana rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. Apokalypsy 21:3, 4
Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena noresahin’i Jesosy nandritra ny fanompoany. Efa hatry ny ela koa ny mpanara-dia azy no nivavaka mba ho tonga io Fanjakana io.