Fizarana 7

Iza moa i Jesosy?

Iza moa i Jesosy?

Nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany i Jesosy. 1 Jaona 4:9

Namorona anjely mahery iray tany an-danitra i Jehovah, ela be talohan’ny namoronany an’i Adama. Tsy maintsy mihaino azy io isika, raha te hampifaly an’i Jehovah.

Nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany izy tatỳ aoriana, ka nateraky ny virjiny iray atao hoe Maria. Teraka tao Betlehema izy, ary nantsoina hoe Jesosy.—Jaona 6:38.

Nitovy tanteraka tamin’ny toetran’Andriamanitra ny toetran’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Tsara fanahy izy, be fitiavana, ary mora hatonina. Tsy natahotra izy rehefa nampianatra ny marina momba an’i Jehovah.

Nanao ny tsara i Jesosy nefa nisy nankahala azy. 1 Petera 2:21-24

Nankahalain’ny mpitondra fivavahana i Jesosy satria nampiharihary ny fampianaran-dison’izy ireo sy ny toetra ratsiny.

Nositranin’i Jesosy ny marary ary natsangany tamin’ny maty ny olona sasany.

Ny mpitondra fivavahana no nandresy lahatra ny Romanina, ka nahatonga azy ireo hikapoka sy hamono an’i Jesosy.