Nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona i Jesosy. (Matio 20:28) Afaka manome antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra, noho io vidim-panavotana io.
Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka hitondra ny tany i Jesosy. Hisy olona tsy mivadika hiara-manjaka aminy. Miisa 144 000 izy ireo ary hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra. I Jesosy sy ireo 144 000 no anisan’ilay fitondram-panjakana any an-danitra, izay antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra. —Apokalypsy 14:1-3.
Hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny ady, heloka bevava, fahantrana, ary hanoanana. Ho sambatra tokoa ny olombelona. —Salamo 145:16.