Fizarana 11

Mihaino Antsika ve i Jehovah?

Mihaino Antsika ve i Jehovah?

Mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra. 1 Petera 3:12

“Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Tiany raha avy amin’ny fo izay lazaintsika aminy.

Aza mivavaka amin’olon-kafa, fa amin’i Jehovah ihany.

Maro ny zavatra azontsika resahina amin’ny vavaka. 1 Jaona 5:14

Mivavaha mba hatao any an-danitra sy etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra.

Ataovy amin’ny anaran’i Jesosy ny vavaka ataonao, mba hampisehoana fa ankasitrahanao izay nataony ho anao.

Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanao ny tsara. Afaka mivavaka momba ny sakafo, asa, fialofana, fitafiana, ary fahasalamana koa ianao.