Fizarana 13

Inona no Tsy Maintsy Atao mba Hampifaliana An’Andriamanitra?

Inona no Tsy Maintsy Atao mba Hampifaliana An’Andriamanitra?

Halaviro ny ratsy. 1 Korintianina 6:9, 10

Tsy hanao zavatra halan’i Jehovah isika raha tia azy.

Tsy tian’i Jehovah hangalatra isika, na ho mamo, na hampiasa zava-mahadomelina.

Halan’Andriamanitra ny famonoana olona sy ny fanalana zaza ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Tsy tiany hanana faniriana tsy mety afa-po koa isika na hiady amin’olona.

Tsy tokony hanompo sampy na hifandray amin’ny fanahy ratsy isika.

Tsy hisy olona manao ratsy ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy.

Manaova ny tsara. Matio 7:12

Tsy maintsy miezaka manahaka an’Andriamanitra isika raha te hampifaly azy.

Tiavo ny olona ka miezaha ho tsara fanahy sy ho tia manome.

Manaova ny marina.

Aoka ianao hamindra fo sy hamela heloka.

Miresaha momba an’i Jehovah sy ny toetrany. —Isaia 43:10.