Fizarana 9

Rahoviana no ho Lasa Paradisa ny Tany?

Rahoviana no ho Lasa Paradisa ny Tany?

Hita avy amin’ireo olana eto an-tany fa kely sisa dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Lioka 21:10, 11; 2 Timoty 3:1-5

Efa nolazain’ny Baiboly mialoha ny zavatra maro mitranga ankehitriny. Nolazainy fa ho tia vola ny olona, tsy hankatò ray aman-dreny, ho lozabe, ary ho tia fahafinaretana.

Voalaza fa hisy horohoron-tany lehibe sy ady ary mosary, sady hihanaka ny aretina. Efa mitranga izany ankehitriny.

Nilaza koa i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana. —Matio 24:14.

Hanala ny faharatsiana rehetra ilay Fanjakana. 2 Petera 3:13

Kely sisa dia haringan’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra.

Hosazina i Satana sy ireo demonia.

Ho tafavoaka velona ireo mihaino an’Andriamanitra, ka hiaina ao amin’ny tontolo iray hanjakan’ny fahamarinana. Tsy hisy intsony ny tahotra, ary hifampatoky sy hifankatia ny olona.