Fizarana 5

Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?

Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?

Nanao ratsy ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Noa. Genesisy 6:5

Niteraka i Adama sy Eva, ary nihamaro ny olona tetỳ an-tany. Nisy anjely nikomy niaraka tamin’i Satana, tatỳ aoriana.

Nanketỳ an-tany izy ireo, ary niova ho olombelona mba hahafahany hanambady vehivavy. Goavana sy natanjaka ary lozabe ny zanak’izy ireo.

Lasa feno mpanao ratsy ny tany. Hoy ny Baiboly: “Be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.”

Nihaino an’Andriamanitra i Noa ka nanamboatra sambofiara. Genesisy 6:13, 14, 18, 19, 22

Olona tsara i Noa. Nilaza taminy i Jehovah fa horinganina amin’ny safodrano lehibe ny ratsy fanahy.

Nasainy nanamboatra sambo lehibe, antsoina hoe sambofiara, i Noa. Nasainy nampidirina tao ny fianakavian’i Noa sy ny karazana biby rehetra.

Nampitandrina ny olona i Noa hoe hisy Safodrano, nefa tsy nihaino izy ireo. Ny sasany naneso an’i Noa, ary ny hafa nankahala azy.

Rehefa vita ilay sambofiara, dia nampidirin’i Noa tao ireo biby.