Sasin-teny

Sasin-teny

Toy ny ray be fitiavana Andriamanitra. 1 Petera 5:6, 7

Mpamorona antsika Andriamanitra ary miahy antsika. Toy ny ray mahay sy be fitiavana mampianatra ny zanany izy, ka mampianatra ny olona rehetra ny fomba fiaina tsara indrindra.

Faly sy be fanantenana isika satria ampahafantariny fahamarinana sarobidy.

Hitari-dalana sy hiaro anao ary hanampy anao handamina olana Andriamanitra, raha mihaino azy ianao.

Tsy izay ihany anefa. Hiaina mandrakizay koa ianao.

Hoy Andriamanitra amintsika: ‘Aoka ianareo hankatỳ amiko. Mihainoa, dia ho velona ianareo.’ Isaia 55:3