Fizarana 14

Ahoana no Ampisehoanao fa Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Ianao?

Ahoana no Ampisehoanao fa Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Ianao?

Miandania amin’Andriamanitra. 1 Petera 5:6-9

Halaviro ireo fombafomba rehetra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Ilana herim-po izany.

Aza midikiditra amin’ny politikan’ireo firenena. Tsy manohana an’i Jehovah sy ny Fanjakany mantsy izy ireo.

Manaova safidy tsara ka mihainoa an’Andriamanitra. Matio 7:24, 25

Miaraha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa hanampy anao hanatona an’Andriamanitra izy ireo.

Mianara foana momba an’Andriamanitra ary miezaha foana hankatò ny didiny.

Rehefa lasa matanjaka ny finoanao, dia tokony hanokana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao ary hatao batisa. —Matio 28:19.

Mihainoa an’Andriamanitra. Vakio ny Baiboly ary angataho hanampy anao hahazo ny heviny ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampiharo avy eo izay nianaranao. Hiaina mandrakizay ianao, raha manao izany. —Salamo 37:29.