LESONA 14 Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra HANDEFA Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Ampirisihin’i Satana hanao ratsy ny olona. Tokony hankahala ny zavatra halan’i Jehovah, izay te ho namany. (Salamo 97:10) Ireto ny sasany amin’izany: Mijangajanga. “Aza manitsakitsa-bady.” (Romanina 13:9) Tsy mety koa raha manao firaisana ny olona roa mbola tsy mpivady.—1 Korintianina 6:18. Mamo. ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo.’—1 Korintianina 6:10. Mamono olona, manala zaza. “Aza mamono olona.”—Eksodosy 20:13. Mangalatra. “Aza mangalatra.”—Eksodosy 20:15. Mandainga. Halan’i Jehovah “ny lela fandainga.”—Ohabolana 6:17. Tezitra be loatra, mahery setra. Anisan’ny ‘asan’ny nofo ny fipoahan’ny fahatezerana.’ (Galatianina 5:19, 20) ‘Halan’i Jehovah ny [olona] mifaly hampidi-doza’, izany hoe tia herisetra.—Salamo 11:5. Miloka. Tsy tokony ho “tia tombony azo tamin’ny tsy marina” ny Kristianina.—1 Timoty 3:8. Manavakava-bolon-koditra. “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.”—Matio 5:43, 44. Mahasoa antsika ny manaraka izay lazain’Andriamanitra. Tsy mora foana anefa izany. Hanampy anao i Jehovah sy ireo Vavolombelony, mba tsy hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra ianao.—Isaia 48:17; Filipianina 4:13; Hebreo 10:24, 25. Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra GOD’S FRIEND Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra Tenin’ny Tanana Malagasy Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102000074/univ/art/1102000074_univ_sqr_xl.jpg